Edito

Tsy sahy miseho masoandro


  • Alarobia 20 Jona 2018

Mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana, dia efa rava sahady ny velirano sy ny fanomezan-toky natao teny an-kianja e!

Famendrofendroana izany no betsaka, mba hoenti-manao tohatra fiakarana ny valala tsy mandady harona nanantena fiovana, saingy nitatatra ho an-dRainilezafy, hoy ilay fitenenana izay. Vita ny nilana dia lasa nisintaka tsy nanao veloma akory ireo ampahana depiote nilokaloka teny an-kianja, fa tsy hamadika ny tolona sy ny vahoaka Malagasy. Dia mahana ny ratsy natao tokoa ve sanatria sa antony hafa mihitsy fa dia tsy nisy sahy nivoaka masoandro intsony. Inona indray izany izao no voambolana sy fanehoan-kevitra hoentin’ireny olona ireny handresen-dahatra ny vahoaka atsy ho atsy? Mbola sahy hiteny fa tena miray làlana amin’ny valalabemandry ary mikendry ny soa sy ny tsara hatrany ho an’ny besinimaro ve? Ny hita aloha, dia nahazo fahefana tamin’ny alalan’ny tolom-bahoaka, dia nangina sy nipirina avokoa noho ny mety fandohalihana amin’olon-tokana , dia iny olona efa tsy voakosiky ny tantara fa namotika firenena iny. Asa lahy na Ramalagasy tokoa no mora resen-dahatra, ary ampian’ilay hoe mora manadino na ahoana. Akaiky indray mantsy izao ny fifidianana, ary inoana fa tsy ho vitsy amin’ireto ampahan’olona sokajiana ho mpitazana ho mpamadika vahoaka ireto no hirotsaka. Dia hiaraha-mahita eo hoe ho mora tokoa ve ny hanasitrana ny ferin’ny fahadisoam-panantenana ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT