Tsy sahy lalao madio

Ao anatin’ny kihon-dàlan’ny tantaram-pirenena isika amin’izao fotoana. Miditra amin’ny


  • Talata 26 Septambra 2023

dingana ara-pifidianana indray taorian’ny fitantanana 5 taona, izay ny rehetra no afaka mandrefy hoe:

tena izao ve ilay fampandrosoana tsy mbola hita tao anatin’ny 60 taona sa kosa fihemorana tsy mbola nisy hatramin’ny nahapotsiran’ny voamaso? Tafiditra tanteraka ao anatin’ny hazakazaka ho an’ny fifidianana isika na mbola betsaka aza ny zavatra tsy tomombana toy ny adivarotra amin’ny hoe: olona efa nanala tena tsy ho Malagasy ve no miziriziry hiady sisika hampiasa ny heriny rehetra handrombahana an’io fahefana io? Dia tena hoe: tahotra fifaninanana tokoa ve no mampiray feo ny 90%? Raha ny refesina ny fahombiazam-pitantanana sy fivaralilany tarafina amin’ny fiainam-bahoaka sy toekarena eny fa ny lafin-javatra rehetra nandritra ny nitondran’ilay Filoha teo aloha niainga tany amin’ny tetezamita hatramin’izao dia tena sahy hanitrikitrika ve ireo mpomba azy fa nandroso ny firenena? Raha tena mpitondra resy lahatra tamin’ny fitantanany sy mahatoky fa mbola mamim-bahoaka tsy matahotra fanadiovana ny kianja politika mialohan’ny tena hanaovana ny fifaninana e! Tsy adala ny vahoaka Malagasy ka handeha hijery olona sy vina ary foto-kevitra hafa, fa lany foana io raha tena afa-po ny olom-pirenena. Matoa anefa miziriziry, miezaka mivoy fa tahotra fifidianana ny fitakiana fanadiovana kianja dia ao raha! Miharihary tahaka ny tafika andrefan-tànana ny tetikady samihafa, eny fa hatramin’ny fanambazana vahoaka amin’ny fanomezana misy poizina hovidian-dafo 5 taona aza toa efa manangasanga any. Tena fotoana izao hanatsimbadihana ny pejy ka handrasain’ny Malagasy ny hoavin’ny firenena amin’ny alalan’ny firaisankina ho an’ny fitiavan-tanindrazana ka ny vina sy fandaharan’asa no hoentina mametraka mpitondra, mba ho tena fifidianana fa tsy fividianana. Mila resena ny fandemen-tsaina afafy satria ny fahakiviana mialohan’ny ezaka dia faharesena mialohan’ny fotoana!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT