Tsy rototra amin’ny fahorian’ny Malagasy

Mifanindran-dàlana eto Madagasikara ny krizy sy olana mandavan-taona an-daniny,


  • Zoma 19 Jolay 2024

ary ny fampanantenana mandavan-taona ankilany. Toa zary tsy maharototra intsony ny mpitondra ny olana etsy sy eroa, ny grevy, fidangan’ny vidim-piainana,…

Toa tsy misy an’izany rehefa mahazo « micro » amin’ny famoriam-bahoaka, fa tahaka ny efa tanteraka ilay Madagasikara sangany aty Afrika sy hanavotra izao tontolo izao. Izay olana mitranga dia ny serasera sy ny manam-basy aloha no hamahana azy. Efa tena miteraka fipoahana ara-tsosialy ohatra ny krizin’ny rano sy angovo, ka ny eo tsy mivaha ny olana hafa mitombo ihany, ny faktiora tsy miova fa mitombo aza. Dia tena tsy rototra firy ny mpitondra fa toa miteny hoe : aleo ho avy izay ho avy fa isika efa tsara fikitra sy marin-toerana. Ireo ambara fa solombambahoaka izay vao lany farany teo moa, toa tsy misy handrenesam-peo na iray aza eo anatrehan’izao krizy sosialy marolafy izao. Asa mbola azo fehezina amin’ny serasera sy ny lakrimozenina tokoa angamba ka tsy maharototra firy. Ny tondro rehetra miharatsy hatrany, ary omaly isika no niresaka mikasika ireo tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy miisa 17 izay tena hiviny tahaka ny tsipindy no vitan’i Madagasikara satria tsy mahatratra 10% akory. Ny fandresena ny fahantrana, ny ady amin’ny hanohanana, ny fampianarana sy fanabeazana ara-kalitao, ny tontolon’ny fahasalamana, ny fisitrahana angovo sy herinaratra, ny fananana asa marin-toerana sy mahavelona,… ampahany amin’ireo tanjona 17, dia iaraha-miaina sy iaraha-mahafantatra eto, fa lavitry ny kitay ny afo ho an’i Madagasikara. Ny tena mampanongo tena dia ny hoe : mba mifanaraka amin’ireny ve ny laharam-pahamehana apetraky ny mpitondra sa dia jojorombona arakaraka izay maha diavolana ny sainy fotsiny ? Tsy dia atao mahagaga raha toa ka miha mibontsina hatrany ny trosan’i Madagasikara satria mitrosa amin’ny zavatra tsy mamokatra sy tsy mamorona harena fa ny sehoseho ivelany sy haingo ambony tsikoko no mahaseriny. Betsaka ireo tondro maneho ny tsy fisian’ny fahaiza-mitantana, ary vao tamin’ity herinandro ity ihany koa aza ny Banky Iraisam-pirenena no namoaka tao anatin’ny fanombanana ara-politika sy ara-drafitra fa tena mila ezaka goavana i Madagasikara satria marefo amin’ny lafiny fitantanana na « gouvernance ». Izay ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT