Tsy resy fa mbola matory?

Mahavalalanina ny fiainam-pirenena ankehitriny!


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Vita iny fifidianana, saingy vita tao anatin’ny lonilony, ahiahy,

tsy fahatokisana, tsy fitovian’ny herijikan’ny kandida, tsy maty manota,… Dia samy miandry ny vokatra vonjimaika izay hitahita soritra ihany aloha ny mety ho fironana. Tena hitondra makany amin’ny fivoaran’ny firenena, hampiterakatra ny fisaraham-pahefana, ahafahana miady ny tena tombotsoan’ny firenena ve sa hanamafy orina ny tsy maty manota sy ny tsikombakomba politika hanaronana ny tsy fahombiazan’ny mpanantateraka ? Ny sary mitranga ankehitriny aloha dia tena miha potika ny poilitika ary manaraka izany ny firenena. Hampanjakaina ny herin’ny vola, ny herisetra, ny herin’ny basy aman-tafondro, ny fifehezana ny rafi-pitsarana, ny fampanginana ny marina sy ny rariny ary ny hintsiny. Vitavita ho azy ny fandikan-dalàna miseho amin’ny endriny maro, kiviana ny Malagasy tsy handray ny andraikitra tandrify azy, alentika tanteraka ao anaty fahantrana mba halemy sy lalaovina ara-politika,… Tena resy ve isika sa mbola renoka ao anaty torimaso ? Moa tsy ny fahoriana mianjady ankehitriny ve no vao mainka tokony hampifoha ny mason-tsaina sy masom-panahin’ny isam-batan’olona hikatsaka ny soa kokoa ! Tsy misy resy tsy miady, fa ilay zavatra iray mety hampifoha sy iarahan’ny rehetra mirona hikatsaka ny soa iombonana no mety mbola karohina. Na ho ela na ho haingana tsy maintsy hijoro ny rehetra. Aleo ihany koa tsiahivina ny tantara sao misy minia manadino fa efa betsaka ireo mpitondra lany tamin’ny isam-bato ambony sy nanana parlemantera maro, saingy tsy nahatazona azy tamin’ny fitondrana, ka asa izay hiseho rahampitso…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT