Tsy ny pejy no avadika fa ny boky no soloina !

Tapitra ny 100 andro voalohany nitantanan’ny filoha


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

ankehitriny amin’izao taom-piasana faharoa izao, ka ho fanehoana ireo asa vitan’ny minisitera tsirairay avy tao anatin’ny 100 andro,

hono, dia ho zaraina amintsika eto ny tatitra, amin’ny alalan’ny horonan-tsary fohy isaky ny minisitera, mandritry ny andro vitsivitsy nanomboka omaly hatramin’ny alatsinainy 15 aprily. Mbola mampiseho hatrany ny fihetsiketsehana ivelany sy ny serasera. Vita ny zato andro fa moa tena arakaraka ny filazana fa hitondra vokatra misongadina eo amin’ny fiainam-bahoaka ny zava-misy ankehitriny ? Ny tsy takona hafenina, dia tsy rototra firy sy tsy miraharaha izay olam-bahoaka any, ary misy oloben’ny fitondrana mahavoaka vava aza fa na vazaha na tsy vazaha no mitondra dia tsy ho avotra intsony i Madagasikara. Dia mbola azo eritreretina hanana fo mitempo fitiavan-tanindrazana sy hitsinjo ka hanao izay hampandrosoana ny Malagasy sy ny firenena ve ny tahaka izany ? Mbola ny hanamafy orina ny seza politika no mahadodona, ka mipoitra daholo izao adin’ny kanosa samihafa izao satria tsy mahatoky tena, tsy mahatoky ny asa sy ny zava-bita, tsy atokisan’ny vahoaka,… Vao zato andro nitondrana indray ny firenena dia izao no rivotra politika sy sosialy ary toekarena iainana. Tsy misy vahoaka tsy mitaintaina amin’ny ho avy satria tsy manan-kantenaina firy, fa krizy mandavan-taona, olana mihombo, aretin’ny firenena miitatra,… vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Mbola hisy ve ny fahagagana ka ilay delestazy mampikolay ho resy ato anatin’ny 100 andro manaraka, ilay vidim-piainana midangana hihamalefaka tsy ho ela, ilay fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka hiverina amin’ny laoniny, ny Malagasy handry fahalemana sy hanan’asa, ny solombavambahoaka tena hiady ho an’ny valalabemandry fa tsy ho mpisolelaka hiaro ny tsy fahombiazan’ny mpanatanteraka,…? Mbola nofy izany hatreto, saingy tsy mahazo kivy ny rehetra, fa mila mandray andraikitra! Tsy ny pejy intsony angamba no mila havadika fa ny boky mihitsy no tokony hosoloina!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT