Edito

Tsy nohenoin-teny ?


  • Talata 27 Desambra 2011

Raharaha mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ary hanamarika ity andro anio ity ny olana eo anivon’ny polisy sy ny mpitsara. Fivoriana saika nanontolo andro teny Antanimora omaly.

 Niakatrakatra ihany ny feo satria misy amin’ireo polisy no mahatsiaro fa ny lehiben’izy ireo indray no manosika mankany amin’ny fonja. Vokatr’io dia iraka no nalefan’ny minisitry ny polisy tao Antanimora omaly hilaza fa hahemotra ny fivoriambe tokony ho natao teo anivon’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io. Tsy nahoan’ny polisy tao amin’ny FIP, ary tonga marobe, izany fa notohizan’izy ireo ny fivoriana tokony ho natao. Tsy vitan’izay fa mbola nisy ihany koa ny fivoriambe omaly hariva. Ho an’ny mpanara-maso dia midika ny fihetsika toy izao fa sady tsy henoin-teny no tsy mahatapak’ahitra ny minisitry ny polisy momba ity olana eo anivony ity. Etsy andanin’izany ihany koa anefa dia tsikaritra fa miha misaraka hatrany ny mpitsara. Anio no hisy ny fivoriambe izay hataon’ireto farany ary eo no hahitana izay fanapahan-kevitra hentitra, araka izay nolazaina hatrany, horaisin’izy ireo. Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-draharaha.
G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT