Tsy nofo aman-drà tokoa!

Tsy mitolona amin'ny nofo


  • Alakamisy 30 Jolay 2026

aman-drà isika, hoy ny toritenin'ny

filohan'ny FJKM tetsy Analakely izay, fa amin'ny fanahy maloto eny amin'ny rivotra. Toriteny Kristianina moa izany ny teny amin'ny 13 may tamin'iny herinandro teo iny saingy na izany na tsy izany dia heverina fa mino ny fisian'ny atao hoe fanahy avokoa rehefa finoana eto ambonin'ity tany ity. Samy manaiky fa misy ny atao hoe fanahy tsara ary misy koa ny atao hoe fanahy ratsy. Ny fanahy no olona na koa hoe fanahy no maha olona, hoy ny fahendrena malagasy mihitsy. Midika izany fa samy hetsehana fanahy avokoa rehefa olombelona eto amin'ity tany ity ary arakarak'izay fanahy ao anatiny izay no mahatonga azy hanao ratsy, raha sanatria misy fanahy ratsy tafiditra ao, na koa manao tsara, raha misy fanahy tsara manjaka ao aminy. Rehefa miteny ny mpanao politika heverina ho mba efa tonga saina eto amin'ity firenena ity hoe tsy olombelona fa fahantrana no fahavalontsika dia mbola miverina amin'ilay hoe tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà fa fanahy tokoa izay no resaka. Iza moa no efa nahita hoe io no atao hoe "Rafahantrana" aminy. Ny mahantra izay vokatr'i Rafahantrana tsy mbola nety resy teto amin'ity firenena ity hatramin'izay naha repoblika azy kosa nefa dia mbola hitan'ny maso sy miharihary hatramin'izao. Voalaza fa efa maherin'ny 80%ntsika ireo hoe mahantra ireo. Maninona tokoa ary nefa isika hatramin'izao no tsy mety tafainga anatina vahaolana na fikaonandoha matotra handresena izay tena fahavalo antsoina hoe fahantrana izay? Tsy nofo aman-drà tokoa angamba no hitolomana kay!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT