Edito

Tsy nitsanga-menatra isika !


  • Zoma 12 Jolay 2019

Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena Malagasy tao anatin’ny fandraisana anjara voalohany tamin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny “CAN 2019”.

 

 

Tsy arakaraka ny fanasokajiana na fanabantibantiana na fanambaniana nahazo antsika tany am-boalohany fa tena vaky vava izao tontolo izao tamin’ny fahaizan’ny Malagasy sy ny fientanam-pon’ny firenena manontolo tamin’iny CAN iny. Niezaka isika, ary nanao izay ho afany ny mpilalao, kanefa tapitra hatreo aloha ny diantsika. Tsy atao mahakivy ireny fa ny fientanam-po sy firaisan-tsaina naterak’iny no zava-dehibe sy mila tohizana fa tsy sanatria ho toy ny afo-mololo, ka hiara-tapitra amin’ny fahataperan’ny diantsika tamin’ny CAN. Mendrika ireo maherifontsika, ary afaka nametraka ny anaran’i Madagasikara ho fanta-daza nanerana ny vazantany efatra. Kihon-dalana tsy eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra fa eo amin’ny tantaram-pirenena iray manontolo. Mila tazonina ny fiombonana, izay tokony hitarina amina sehatra maro. Nasehon’ny Malagasy manontolo rahateo fa afaka miray feo sy miray fo ihany isika, na dia nosaratsarahan’ny politika. Na ireo mpanao politika aza anefa, dia nampiombonin’ny Barea, ary tsy nisy angamba na iray monja aza tsy niray feo sy niray fo tamin’ny ekipa Malagasy. Raha tena tia tanindrazana sy madio fo toy ny fanohanana ny Barea ny rehetra, indrindra fa mpanao politika, dia fotoana izao hoenti-mampandefitra ny hambom-po diso toerana hanovana ny tantara hanana hoavy tsara kokoa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT