Edito

Tsy nisy tao anatin’ny 60 taona…


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Fomba firesaka sy kabary faheno matetika ambaran’ny Filoham-pirenentsika ankehitriny nanomboka tamin’ny propagandy ny hoe

: hanao ny tsy vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona, zavatra tsy mbola nataon’ny mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona,... Mitsingerina ny faha-60 taona nahazoantsika ny fahaleovantena, ka endri-pankalazana tsy fahita hatramin’izay no miseho, tsy mbola sahirana tahaka izao ny vahoaka Malagasy tao anatin’izay enim-polo taona izay. Mitotongana ny toekarena sy ny fari-piainana,… Tena voky nofinofinofy sy ampoky ny fampanantenana fiainana mamirapiratra, ka matetika no ahenoana zava-baovao. Miankina amin’ny zava-miseho sy mipoitra tampotampoka tsy ampoizina ny laharampahamehana, fa tsy miankina amin’ny filan’ny Malagasy sy ny fahasahiranany. Zava-dehibe ny finiavana ny hanandratra ny maha Malagasy, hanangana orinasa Malagasy, famokarana fanafody, laboratoara,… Na izany aza, tsapa sy tsikaritra ho misy bizim-panjakana na fandraharahana mivantana na ankolaka ataon’ny mpitondra ao anatin’ireny zavatra ireny. Mainka dia mainka isika amin’ny zavatra avo lenta, tena te hanao zavatra goavana sy lehibe ary mamirapiratra,… Zavatra mijoalajoala tandindon’ny fandrosoana no tian’ny mpitondra hapetraka, izay tsy misy maharatsy azy. Ny manahirana anefa, dia ilay Malagasy izay mahantra ny 90% mitrongy vao homana, tsy misy hohanina, mijaly sy sahirana,… tsy afaka hisitraka ireny ambara fa fandrosoana resahina sy voizina ireny. Marina fa manao ny tsy natao tao anatin’ny 60 taona isika, saingy hoentina am-bavaka mba zavatra hitondra ny sarambabem-bahoaka ho any amin’ny fiainana tsaratsara kokoa. Ny hita sy mila faritana mazava dia ny hoe: fandrosoana tahaka ny ahoana no ilain’i Madagasikara, fa toa mifangarika ny fandrosoana tadiavin’ny vahoaka sy ny fandrosoana entin’ny mpitondra, hany ka lasa resaky ny moana sy ny marenina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT