Mitombo isan’andro ny tsy fahatokisan’ny olona ny fitondrana misy ankehitriny. Ekena fa sarotra ny miatrika izao fahoriana manjo ny firenena izao, saingy ny fahitana vahaolana amin’ny fotoan-tsarotra mihitsy no ilana ny mitondra fanjakana. Fa raha samy mahay mandamina ny fiainany sy nahita ny vahaolana amin’ny olana rehetra ny tsirairay dia tsy nisy nilana akory izany hoe mpitondra izany. Efa nisafidy ny hiditra amin’ny fitantanana ny firenena ingahy
Rajaonarimampianina koa dia miandry izay fahaizany ny rehetra. Efa tsy propagandy intsony izao ka hoe kabary tsara lahatra no atao, asa mivaingana no andrasan’ny olona. Moa ve mahafantatra izany ireo mpitondra antsika ireo ? Tsy vao tamin’ity 2015 ity mantsy no nisy fahavaratra sy vanim-potoan’ny rivodoza, ary raha nandinika sy namakafaka ary niomana ny mpitondra dia efa mety mba nahafantatra mialoha ihany ny zava-nitranga fa tsy hoe miaraka taitra amin’ny traboina. Miaina ilay antsoina hoe fihafanan’ny tany isika ankehitriny izany hoe mafana be rehefa lohataona, mangatsiaka be rehefa ririnina ary matevina ny rotsak’orana amin’ny fahavaratra. Zavatra efa tokony ho fantatra izany dia miomana miatrika izay ho avy fotsiny sisa. Ny hita mantsy dia toa miraviravy tanana sy miandrandra fanampiana avy any ivelany fotsiny ilay fitondram-panjakana, dia avy eo manolotra vahaolana maimaika sy tsy voahevitra tsara ; dia iny indray no miteraka olana hafa. Sa ve tena mitombina ihany ilay filazana hoe tsy niomana ny hitondra mihitsy ireto mpitondra antsika ireto. Koa tsy loza amin’atambo ve izany e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.