Maro no nahatsikaritra nandritra ny fahatsiarovana ny tolom-panafahan’ny 29 martsa ny talata lasa teo fa vitsy dia vitsy ny olona nanatrika ny lanonam-panjakana ofisialy, na ny teto Antananarivo io na ny tany Moramanga. Ho an’ny teto an-drenivohitra manokana moa dia mety nisy akony tamin’ny fahazotoan’ny olona ho eny Ambohijatovo na teny amin’ny Mausolée ny karazana fampitandremana avy amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fahitana miaramila miaraka amin’ny basy tamin’ireo toerana ireo vao maraina. Iny eo ihany fa ho an’ny mpanara-baovao politika dia efa azo itarafana ny fihenan’ny olona resy lahatra amin’ny politikam-pitantanan’i Andry Rajoelina sy ny fanapahan-keviny ireny. 29 martsa telo izao no natrehan’ny filohan’ny FAT ary araka ny fandinihana azy dia nihena isan-taona ny olona nanatrika ny lanonana tao anatin’izany. Tsaroana etoana fa dia vahoaka maro be tokoa no nitsena sy nihaino ny kabarin’i Andry Rajoelina tao Moramanga ny 29 martsa 2009. Io rahateo no fisehoana vahoaka voalohany nataony ivelan’Antananarivo hatramin’ny niakarany teo amin’ny fitondrana.
Efa somary nihena izany tamin’ny herintaona no mbola nisehoana savorovoro ny fanaterana voninkazo teo Ambohijatovo. Tamin’ity taona ity dia nisafidy ny hisintaka an’Antananarivo mihitsy ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita ka tany Moramanga no nitodi-doha. Ekena fa manana ny tantany manokana tamin’ny tolom-panafahana ny taona 1947 i Moramanga saingy nahagaga ny mpanara-baovao ihany ny tsy nanatrehan’ny filoha, izay ambara fa filoham-panjakana, ny lanonana teto an-drenivohitra. Tsotra ny fandikan’ny maro io fihetsika io, dia ny hoe efa mahatsapa ireo mpitondra ireo fa tsy mahasarika olona intsony eto Antananarivo, ka aleo any an-toeran-kafa lavitry ny fakan-tsarin’ny mpanao gazety, afa tsy ireo vitsivitsy notsongaina no miseho vahoaka. Hita ho tsy niraika firy tamin’iny fahatsiarovana ny 29 martsa teo iny ny olona, mety noho ny fahasahiranana amin’ny fitadiavana andavanandro izany, mety noho ny faharerahana ara-tsaina sy ara-batana amin’ny asa aman-draharaha, fa misy ihany koa ireo olona milaza tsotra izao fa tsy hanatrika lanonam-panjakana ofisialy izany intsony noho ny tsy fankasitrahany izao fitondrana tetezamita tarihan’olon-tokana ary miroso tsimoramora any amin’ny jadona izao.
Ny hevitra moa tera-bary, ary samy manana ny fahitany ny zava-misy ny tsirairay avy, fa ny azo handravonana sy hamehezana azy fotsiny dia maro no diso fanantenana tamin’ny natao hoe tolon’ny fanovana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009, noho ny fitarazohan’ny krizy efa roa taona aty aoriana. Tsy haingam-pandeha araka ny nieritreretana azy ilay TGV ary tsikaritry ny maro fa kabary sy fihetsiketsehana no tena betsaka. Tantara tsy fanadino ary tena manan-danja tokoa ho an’ny Malagasy ny tolona tamin’ny 1947, sambany vao nitranga ihany koa ny tsy nanatrehana filoham-panjakana ny fanamarihana izany daty malaza izany teto an-drenivohitra, ary azo antoka fa tsy ho adinon’ny maro, ary vao mainka hampihena ny fankasitrahan’ny olona an’i Andry Rajoelina eto Antananarivo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.