Edito

Tsy miverin-dalana


  • Zoma 15 Janoary 2016

Tsy kely lalana ny ratsy, hoy ny fitenintsika Malagasy.Ary tena misy mihitsy ireo mandany fotoana, vola, ron-doha hiketrehana zavatra haminganana fotsiny ny hafa; na zaza vao 5 taona aza dia mahatsapa fa mahafinaritra ny mijery tanàna madio sy milamina, fa misy anefa olon-dehibe milaza fa aleo ihany tohizana ny fivarotana amoron-dalana

.Io ilay resaka hoe : na fitiavan-tena efa diso tafahoatra na zavatra fanahy iniana atao mihitsy mba haminganana ny hafa.Tsy misy zavatra tsy azo alamina izany fa ny finiavana sy ny fahavononana angamba no tsy ampy, zavatra tsy maintsy irosoana ny fanadiovana an’Antananarivo renivohitra ho tombotsoan’ny besinimaro fa tsy hoe mpivarotra ihany akory no mponina mandoa hetra eto.Tsy fotoana ifanomezan-tsiny izao fa kosa fotoan’ny fifampiresahana sy ny fikarohana vahaolana mahomby, tsy iadian-kevitra kosa angamba fa any anaty tsena no toerana natokana ho an’ny mpivarotra, fandaminana ny ambiny.Fa ny tena manahirana dia ny fitsofohan’ny mpanao politika sasany ao anatin’ilay resaka fanadiovana ka amporisihana ny andian’olona hanohitra io fanatsarana atao io.Mahafantatra tsara izany ireo mpitantana isan’ambaratongany ka heverina fa hahay handray ny fanapahan-kevitra mety indrindra ho amin’ny tombotsoa iombonana.Tsy misy tonga lafatra eto saingy azo atao tsara ny mifanampy sy mifanabe ary miova ho amin’ny tsara kokoa hatrany.Tsy mora ny manarina ny gaboraraka niainana tao anatin’ny enin-taona fa tsy maintsy misy hanombohana ny asa kosa anefa, ary rehefa atao io dia tena atao fa tsy misy miverin-dalana izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT