Edito

Tsy mivaky loha


  • Talata 03 Aprily 2012

Nambara teto tamin’ny herinandro lasa iny fa misy antony manokana matoa nisafidy an’i Manakara hanatanterahana ny lanonana ofisialy amin’ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947 ny fitondrana tetezamita, ary dia tonga nanao rodobe tany an-toerana i Andry Rajoelina sy ireo mpanao politika manohana azy.

 Ny faran’ny herinandro teo ary dia nanao ampamoaka ry zareo avy ao amin’ny CDE (Club Développement et Ethique) tarihin’i Serge Zafimahova. Mikasika ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto Madagasikara io ampamoaka io. Nambara tao, ohatra, fa mbola mitohy hatrany ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny Mainland Mining any Manakara sy ny manodidina na dia tsy nahazo fahazoan-dalana momba ny fikajiana ny tontolo iainana akory aza ity orinasa Sinoa ity. Ao koa ny filazan’ny Club Développement Ethique ihany fa nisy ny vola kolikoly mahatratra 8 tapitrisa dolara noraisina manampahefana, momba ny fitrandrahana arintany any Sakoa. Raha ireo ampamoaka roa ireo fotsiny no resahana dia azo itarafana ny fisian’ny gaboraraka eto, ary manaporofo ny ahiahin’ny olona hatramin’izay, fa hay kay tena misy mihitsy ny mpitondra ao anatin’izao tetezamita izao, mangoron-karena amin’ny alalan’ny fivarotana sy fanapotehana ny tanindrazana.

Tsy adala na sanatria tsy ampy saina, ireo Sinoa mitrandraka fasimainty any Manakara ireo, fa matoa izy sahy manao ny asany dia misy olona ao ambony ao efa nifanaraka taminy, ary miaro azy amin’ny zavatra rehetra mety hitranga. Raha tezitra sy saro-piaro ny mponina any Manakara tany am-piandohana, toa manomboka mangina ihany ankehitriny satria mody nambara fa hangoron’entana ny Sinoa ary miandry fanadihadiana aloha vao mety hitohy indray ny asa amin’ny fitrandrahana ny fasimainty. Nampiana fanampiana amin’ny fizarana vary sy menaka ary entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro izany, sy ny fampanantenana ary fety isan-karazany taorian’ny fametrahana ny filohan’ny faritra sy ny PDS vaovao.

Na dia voaheloka koa aza dia nalefa hitsabo tena any ampita ary mety hitoetra maharitra any, ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, izay zanak’iny faritra iny. Pi-maso sy fanambantambazana tsy misy ohatr’izany e ! Mibaribary koa izao fa tsy miraharaha izany tondrozotra izany mihitsy raha ny ankolafy Rajoelina sy ireo olony anatin’ny fitondrana. Na ambaran’ny andininy faha-6 aza fa tsy afaka misahana asa na fandaharanasa lavitrezaka sy tsy afaka manao fifanaraham-piaraha-miasa lavitrezaka ny fitondrana tetezamita, dia io mbola manome alalana orinasa vahiny hitrandraka harena ankibon’ny tany io ihany, tsy misy latsaky ny 30 taona anefa ny faharetan’ireo fitrandraharana ireo. Tsy mivaky loha fa dia manao izay tiany, tahaka ny efa nahazatra azy ny FAT ka na inon-kidona na inon-kihatra, dia manangona ihany manangona hatrany dia ny paosy no atao mibontsina tsara e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT