Edito

Tsy miteny fotsiny !


  • Talata 28 Febroary 2017

Raha nalaza ny “tsy hiala aho”, tamin’ny andron’ny amiraly, nanda tsy hiala koa ny rain’ny fihavanana tamin’ny fotoan’androny.

Antony goavana tamin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny afrikanina kosa no saika tsy nametrahan’ny filohan’ny repoblika fahatelo fialana ny taona 2009 fa ity indray mitoraka ity kosa hafakely. Firy moa izay mpandinika sy mpanao politika niteny izay fa efa fotoana tokony hametrahan’ny filoham-pirenena fialana izao ? Firy ireo naneho fa nampidi-doza ity fitondrana niriana hitondra hery vaovao ity ? Ny mahagaga anefa dia tsy misy hatramin’izao ny fiaiken’ireo mpitondra fa tsy nahatanteraka ny fampanantenany izy ireo na tsy tokony ho nampanantena fa nihazakazaka nampandroso aloha. Raha ny lojika dia ny olona be asa no tsy manan-kambara firy satria sahirana. Ny fitondrana ankehitriny anefa dia miteny foana na tsy manan-kalahatra aza matetika. Hita daholo ny fialana bala rehefa misy fitsaram-bahoaka sy mpitandro ny filaminana voafehy. Ny mahagaga kosa dia sambany tsy miteny izy rehefa misy mitaky fametraham-pialana.

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT