Tsy misy vidiny ve ny aim-bahoaka ?

Tsy finiavana hamendrofendro sanatrian’ny vava fa


  • Talata 22 Jolay 2025

mahaontsa sy mampalahelo ny zava-misy manodidina ny raharaha fahafatesana

olona maro be eto amin’ny Firenena noho ny fahapoizinana ara-tsakafo samihafa na ny teto Antananarivo na ny tany Ambositra na ireo toeran-kafa,… Iray volana mahery angarangidina tsy tena nisy zavatra nivaingana teo anatrehan’ny fitakiana hoe : inona no tena marina ? Tsongoy fon’olona, tsongoy fon-tena,… fa tena mangirifiry izany olona 4 mianaka izay ankohonana iray manontolo no indray namoy ny ainy, zanaka nirijarija mianadahy nindaosin’ny fahafatesana tao anatin’ny iray volana monja,… Tao anatin’izay vanim-potoana izay, karazan’ny very an-javony ny zava-drehetra, tsy hita izay tena marina, fa toa seraseram-panjakana tsy tonga volana, fanamarinan-tenan’ny mpitondra,… no betsaka sy misongadina. Tsy mijabaka amin’ny asan’ny Fanjakana, tsy manamaivana ny asa sy ny tsiambaratelon’ny fitsarana, tsy manenjika be fahatany ny mpitsabo izay tena manao ny ainy tsy ho zavatra ny ankamaroany,… fa kosa hoe : raha tena noheverina ho misy vidiny sy manan-danja ain’ireo olona lasibatra, raha tena nahomby tamin’ny lazaina fa efa miasa sy mandray andraikitra ny Fanjakana, mety mba betsaka ny zavatra voasoroka. Mampiahiahy ny tsy fisian’ny mangaraharaha, raha tsy hilaza afatsy ny filazana rehefa nangotraka ny raharaha hoe : laboratoara roa no nandefasana ny singa taorian’ny tatitry ny vaovao iraisam-pirenena fa laboratoara tsy tena manara-penitra no nandefasana azy. Marina fa Andriamanitra no mpandahatra, saingy betsaka ireo toe-javatra manimba saina amin’ny maha olombelona. Sanatria toa hamaivanina sy vitavita ho azy ny ain’ireo mpiray tanindrazana nafoy. Sanatria toa efa mangotraka ny raharaha, mandeha ny fampanenoana lakolosy, mihamafy ny fitakiana ny marina amin’ny alalan’ny fitoriana na mety ho hetsika samihafa, vao may ny endim-boanjon’ny Fanjakana. Dia lasa ihany ny saina aman’eritreritra hoe : tena hisy marina hipoitra ve sa sanatrian’ny vava fampanginana hisian’ny antoka amin’ny fandraisana fivoriana iraisam-pirenena hikatsaham-boninahitra sy sehoseho ivelany ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT