Tsy misy vahoaka ho voambaka mandrakizay e !

Ny politika dia fitaovana hanovana ny fiainan’ny olona,


  • Alakamisy 03 Jolay 2025

hoy ny famaritan’i Nelson Mandela azy fahiny. Ny fanovana resahiny eto,

dia fivoarana makany amin’ny fihatsaram-piainana, ka asa raha izay tokoa no sary hita eto amintsika tarafina amin’ny fiainana ankehitriny. Na tiana na tsy tiana, ary na ezahina sarontsaronana, afenina amin’ny fanodinkodinana saim-bahoaka, takonana amin’ny fanamarinan-tena sy fampanantenana zavon-tany lava,…. dia miharihary fa miha milentika ao anatin’ny fahantrana lalina ny Malagasy. Tsy misy tsy mahatsapa izany na ireo manan-katao aza, afatsy ireo vitsy an’isa minono sy migoka tombotsoa ao anaty fitondrana, minia mikipy. Betsaka izay filazana fa hampandrosoana ny Firenena sy ny vahoaka izay, ary tahaka ny hoe bokotra no potserina dia miova ny fiainan’ny Malagasy, saingy indrisy fa tsy izay no mitranga. Tsy misy kisendrasendra, tsy misy fahagagana, ka aty amin’ny 15 taona nampanantenana paradisa ny Malagasy dia mbola hino sy hanantena ny mpitondra ankehitriny nandatsaka azy ao anaty geja sy aizin’ny fahantrana ho mbola Mesia hahavita an’i Gasikara ho sangany aty Afrika araka ilay noventesina hatry ny ela. Fahantrana lalina, krizy sosialy, tsy fisiana herinaratra, filaharana rano, filaharana solika, famolosana ara-bola etsy sy eroa tsy misy tamberin’andraikitra, kolikoly mandrakotra ny sehatra samihafa, laharam-pahamehana kisadasada handaniana ny volam-panjakana zary maneso vahoaka,… Dia mihevitra ve ny mpitondra fa tena mbola mino sy manaiky ny olona matoa mipetraka ? Tena matoky tena fa maharo azy ireo ny lazaina fa asa sy fampandrosoana nentina ? "Mety ho azonao fitahina anatin’ny fotoana fohy ny olona rehetra, ary ny sasany amin’izy mety ho voafitakao amin’ny fotoana rehetra, saingy tsy ho afaka fitahina mandrakizay ny vahoaka rehetra.", hoy ny fomba fitenin’ny Filoha Amerikanina fahiny Abraham Lincoln. Asakasaky ny mpitondra ankehitriny raha mbola hihevitra ny Malagasy ho bado sy azo ambakaina ary atao tohatra lava sy mandefitra foana na hitsahina hatrany an-tampon-doha aza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT