Edito

Tsy misy tompon’ny vahoaka izany


  • Talata 05 Mey 2015

Zavatra efa mahazatra n’aiza n’aiza ny fisian’ireo tsy manaiky na tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitra noraisina. Hita io na any amin’ny toeram-piasana na any am-pianarana na any am-piangonana na eo anivon’ny fianakavina sy ny fiarahamonina na eo amin’ny firenena. Efa izay mihitsy ilay fiainana an-tany sy ny olombelona

 


, tsy voatery hitovy hevitra ary manana tanjona samy hafa, manana filàna tsy voatery hitovy. Fampiasan’ny mpanao politika matetika ny hoe : ny vahoaka, ny feon’ny vahoaka, ny hetahetan’ny vahoaka ... Fa iza marina moa no atao hoe vahoaka ary iza no sahy milaza fa manana ny vahoaka ao an-damosiny na tompon’ny vahoaka ? Sarotra ny mamaly io fanontaniana io fa dia fifanarahana sy fifandaminana no natao ka izay no nahatonga ny fifidianana na fisafidianana izay hisolotena ny maro an’isa. Misy mivoy indray izao fa tsy mahasolotena ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa ireo mpizaika 2 000 teny amin’ny CCI Ivato. Fa iza moa no sahy miteny fa tena ny hevitry ny vahoaka malagasy marina no niseho tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013, na nandritra ny fanovana ny lalàmpanorenana tamin’ny 2010 ? Fa dia nekena aloha ilay izy mba hirosoana tsimoramora any amin’ny fitoniana. Azo ahitsy foana ny mibiloka eny am-pandehanana eny satria tsy misy ny tonga lafatra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT