Edito

Tsy misy tompon'ny ampitso…


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Samy niandry izay zava-baovao hambaran’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Praiminisitra omaly hariva.

  

 

Nitovy tamin’ny fomba firesaky ny Filoham-pirenena ny valan-dresaka hita omaly tamin’ny ankampobeny. Fanazavana toa niolakolaka, indrindra fa teo anatrehan’ny hoe: voafehy sa tsy voafehy ny valanaretina? Na izany aza dia niezaka naneho sy nitondra vahaolana hoenti-manamaivana sy manatsara ny fandraisana an-tànana ireo manana ahiahy ara-pahasalamana sy ireo voamarina fa voan’ilay valanaretina coronavirus. Afaka ny horaisina an-tànana any an-tokantrano. Etsy ankilany, tsy manana antoka mazava ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fifehezana ity valanaretina ity. Na tsy mivaky mivantana aza, toa tsy te handray fanapahan-kevitra mafonja toy ny datim-panadinam-panjakana, fa mbola miandry izay hiseho, toy ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo, izay toa efa zatra sy tsy dia mivaky loha firy eo anatrehan’ny fanapahan-kevitra iray raisin’ny fitondram-panjakana. Tsy tompon’ny ampitso amin’izay mety hiseho na ho voafehy io na sanatria vao mainka hiparitaka. Tsy mbola misy antoka sy fe-potoana mazava tsinjo momba ny hahatafavoahantsika ao anatin’izao sedra lehibe zakain’ny rehetra izao, raha halalinina. Ny fihetsiky ny fitondram-panjakana Malagasy, dia manaporofo fa toa mbola ho ela ity ady ity. Isika rahateo hanangana toeram-panamboarana fanafody, ka isan’izany ny fanafody ambara fa mahasitrana coronavirus. Asa miandry ny fijoroan’izany tanteraka ve vao tena ho voafehy ny valanaretina. Ny mahery tsy maody tsy ela velona, ka fanafody tsara indrindra ny mailo sy mitandrina satria aleo misoroka toy izay mitsabo. Maro ny antoka omen’ny fitondram-panjakana, toy ilay hoe mety afaka handray an-tànana sy hitsabo olona 30 tapitrisa isika, efa manana fanafody mahasitrana,… Ny toky fitaka fa ny atao no hita ka aleo mitandrina satria tsy fantatra izay haloaky ny ampitso eo anatrehan’ity areti-mandoza efa mieli-pantrana ity. Toa mbola ho ela izy ity, ka sao mila hovaina ny fomba fiaina sy fiatrehana azy ity izay efa ambaran’ny manam-pahaizana fa ho lasa aretina mpiseho isan-taona na mandavan-taona?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT