Telo volana latsaka kely nitondrana ny firenena ny filoha ankehitriny. Telo volana tsy hahafaha-mitsara azy amin’izay mety vitany sy tsy vitany angamba, saingy toa efa ahafaha-mamaritra ny politikam-panjakana hitondrana ity firenena iaraha-manana ity. Amin’izay maha iaraha-manana izay, dia tsy an-dRajoelina sy ny ekipany irery akory i Madagasikara, ka hanaovana izay tian-katao sy izay hitsin’ny loha, ka zon’ny Malagasy rehetra ny miteny sy maneho hevitra eo anatrehan’ny zava-misy sy ny mety ho tsy fanjariana ataon’ny mpitondra.
Manana zo feno ny isam-batan’olona satria mandoa hetra, ary volam-bahoaka no higalabonan’ny mpitondra fanjakana ao. Manana zo feno ny tsirairay satria olom-pirenena feno tompon’ny fahefana, raha tena mipetraka tokoa ny demokrasia. Manomboka ketrehina mafy ny hampanginana an-kolaka amin’ny kiana mahazo ny fitondram-panjakana. Aoka hazava fa matoa miteny na manakiana tsy midika velively ho halako bika tsy tiako tarehy, fa kosa arofanina ho an’ny tanindrazana tsy hoviraviraina eto. Tombony ho an’ny fitondrana mba hahafahany mitandrina sy manitsy ny diany, araka izany, ireny kiana samihafa ireny, raha tena madio fo ny mpitondra ary manana fahitsiana ao anaty fitantanana ny firenena. Mba mila manaiky ho diso ihany koa, fa tsy ny hoe: lehibe tsy mba meloka hatrany no hovoizina eto, ka na efa hita izao aza fa mivaralila, dia minia manao bemarenina. Raha tena mitsinjo ny soa ho an’ny vahoaka sy ny tanindrazana tokoa, dia mila mahay mihaino satria io no anisan’ny olantsika eto. Rehefa ny sokajiana ho fahavalo politika no miteny, dia toa ratsy sy tsy raharahiana avokoa. Baikoan’ny halako bika tsy tiako tarehy mihitsy aza indraindray, ary nahatarafana ireny ny adihevitra nifanaovan’ny kandida roa tonta nialoha ny fifidianana, ary raha hiverenana lavidavitra kokoa ny tantara tany aloha dia anisan’ny nanonganana ny fanjakana 10 taona lasa izay ny politikam-panjakana. Nokianina mafy teto ny resaka fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra, nohivaivaina teto ny politikan’ny fanamboaran-dàlana sokajiana ho làlan-dran’ny firenena,… Inona anefa no atao ankehitriny ? Raha tsy mba nahandry tantana sy tsy nanongam-panjakana tsy ho izao mihitsy no niafaran’ny firenena. Mora ny mandrava sy mamotika fa sarotra ny manarina, ka tsy vitan’ny fampanantenana sy kisehoseho ivelany io ! Izao tsarain’ny natao, ary toa lany bala sy miezaka mamilivily saim-bahoaka, ankoatra ny tazom-pahefana hita taratra amin’izao fifidianana solombavambahoaka izao, ka toa hikipiana hatramin’ny lalàna velona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.