Edito

Tsy misy raharaha vanona


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Nivalona sahady iny ny herinandro voalohany amin’ity volana septambra ity, volana faha-9 amin’ny taona 2015 ity. Dia inona no azo ambara ? Izay itodihana rehetra izay tsy midorehitra mena, toa maneno sahona avokoa.


 Amin’ny lafiny sosialy dia grevy atsy, korontana aroa. Ny atsy tsy milamina, ny eroa mipoitra indray. Manginy fotsiny ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, tsy an-tanàn-dehibe tsy ambanivolo. Ny toekarena indray dia io mikaikaika amin’ny afitsoky ny delestazy io ny mpandraharaha, manampy trotraka ny tsy fahamarinan-toeran’ny sandam-bola Malagasy izay miantraika any amin’ny vidin’entana. Ny politika moa dia omaly tsy miova. Samy manao be filaza avokoa ny samy mpitondra. Tsy misy raharaha vanona, fa lany andro mifanasa vangy sy mamono afo fotsiny ny mpitondra. Fanina ny vahoaka, be no miraviravy tanana.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT