Tsy misy ny vitavita ho azy !

Misy foana ny tsimbalivaly politika fa


  • Alarobia 14 Janoary 2026

tsy misy ny mandrakizay izany!

Ny toerana sy ny vola ary ny fahefana sy ny fananana izay mety ireharehana sy handranitana vahoaka anio. Tsy maniry ny hisian’ny fifamaliana faty politika lava eto, fa kosa hanatra ho an’ny rehetra ireny. Iza moa no tsy nahita ireny vava tsy ambina nataona olom-boafidy na tompon’andraikitra ambony teto ireny, toy ny filazana fa tsy misy maharesy basy. Iza moa no tsy nahita ny sotasota nataon’ny olom-boafidy iray izay sahy nitarika olona nanao herisetra sy nidaroka olona teny amin’ny boriborintany fahadimy ohatra ? Dia mby aiza izao ? Nisy hatramin’ireo mpanohana fitondrana sasany sahy nilaza hoe : « Mpanakorontana vitsy kely ireo tsy haharesy tafika ! Miandry top fotsiny dia ataontsika mihinana ny savoniny ireo », fa izao mody misolelaka ohatran’ny tsy nanao na inona na inona ka asa matahotra sao hifoha ireo tsy nety natao ka mila mailo sy mody manohana ? Ekena fa mety tsy handany fotoana ny amin’ireny isika satria lehibe kokoa ny famahana olana sy fampandrosoana, somokatra any amin’ny fametrahana fifampatokisana anatiny sy ivelany ny fitondram-panjakana, miezaka mametraka ilay tena fanovana hananan’ny rehetra ny anjara masoandrony,… saingy tsy azo hodian-tsy hita ireny, misy ny manao ririnin-dasa tsy tsaroana, ao ireo manao vain-drahalahy tsy mba marary,… Maika ny fampandrosoana ary tsy misy faly hifanenjika sy hifandramatra lava eto, saingy tsy misy ihany koa ny famelana na « pardon » raha tsy misy ny fitsarana sy ny fahamarinana na « justice » e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT