Nalaza tao anatin’izay iray volana sy tapany nitondran’ny fanjakana Rajoelina izay ny loza mahatsiravina, ny valan’aretina, ny tsy fandriampahalemana samy namoizana aina avokoa.
Ny fakana an-keriny, dia efa tsy vaovao amin’ny sofina intsony. Ho an’ny any Tsaratanana, nisy olona lasibatra indray ny faran’ny herinandro teo, raha ny fampitam-baovao. Ny misambotra ireo heverina fa tsy mitovy firehana amin’ny fanjakana hanana hirika hahafahana manenjika azy kosa ny tena nanamarika asa nataony. Nirongatra ny resaka fahazoan’ny vahiny tany eto, miseho ny fandroahana olona amin’ny tany, mipongatra ny karazana dosie samihafa. Asa na mandeha ny fanararaotana sy ny familiviliana ny saim-bahoaka amin’ny kisambotsambotra ampian’ny karazan-doza miseho, ka ny rehetra variana amin’ireny, ny karana na ny foko faha-19 kosa mety efa misoko miadana mangorona izay azony hahorona eto. Nihazakazaka mihitsy ny resaka fanilihana samihafa, hany ka hatramin’ny kianja filalaovam-baolina aza efa voafaritra sy efa mamefy ny olona milaza fa nividy azy vao gaga sy talanjona ny rehetra. Toa tratry ny atody tsy miady amam-bato Ramalagasy izay mety hararaotina amin’ny fahalemeny sy ny tsy fahalalany. Fa eto toa tsy hisy mpitondra hiaro azy izany e ! Ekena fa mety noho ny tsy fahalalany an’ireny olona voailika ireny fa tsy misy resaka zon’olombelona izany eo fa rehefa miala dia miala ! Na inona loza mahazo ny Malagasy na aripaky ny aretina na atao tompony mangataka atiny amin’ny taniny toa tsy dia misy mpitondra mihaino sy mangoraka firy intsony. Tsy mandeha ho azy ny famarotana tany amin’ny vahiny etsy sy eroa, raha tsy misy manampahefana manome vahana ao. Ilay filoham-pirenena izy tenany izao aza no efa nilaza ampahibemaso fa hivarotra tany amin’ny vahiny ka hatao mahagaga ve raha faritan’ny karana avokoa i Babay sy Lohavohitra satria mety voavidiny ny mpitondra ? Nampanantenaina fa homena tany 10Ha isan’olona ny tanora, kinanjo ny kely eo am-pelatanany aza mety hoesorina aminy. Tsy any amin’izany aloha izao no mahamaika, fa ny miketrika mafy amin’ny fifidianana solombavambahoaka indray, ary mila volabe io ka sao mba any amin’ny foko faha-19 no maka vola hanaovana propagandy. Mety amin’ny fampielezan-kevitra no ho avy ilay vary mora nambara fa any anaty sambo mba handomana tapany handoavan’ny sarambabem-bahoaka erany. Mbola ho avy ny fampanofinofisana samihafa fa ny fahatanterahany aleo aloha tsy miresaka betsaka e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.