Ny tanana zatra mitsotra, hono, tsy afa-mivonkona intsony. Raha ny zava-misy ankehitriny tokoa no jerena dia hita ho mbola misy dindony amin’ny fitondrana ankehitriny foana ny fahazarana mandray fanampahan-kevitra letrezana toy ny tamin’ny 10 taona lasa.
Iny niaraha-nahita iny moa farany teo ny zava-nitranga teo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ry zareo eo anivon’ny tontolon’ny sinema Malagasy. Tranga izay inoana fa tsy maintsy hisy tohiny. Dia tena tsy maintsy nanao toy ireny tokoa ve ? Tsy dia any amin’ny resaka ara-dalàna na tsia na diso sy marina no tokony hipetrahan’ny adihevitra eto fa any amin’ny toeran’ilay soatoavina lazaina fa kasaina haverina sy ilay fiovana tiana hapetraka. Toa mbola ny kolontsain’ny “Anay izao ny tanàna” ihany aloha no hita taratra hatreto. Toa tsy mahagaga raha tsy misy miova toy izany koa ny fanaovana politika eto amin’ny firenena raha mijery ny fomba fampielezankevitr’ireo kandida ho solombavambahoaka ? Asa na inona loatra no hifandraisan’ny atao hoe “Hevitra” amin’ny sio na gisa na gana na koveta sy izay rehetra atolotolotr’ireto kandida maro dia maro ireto ny vahoaka mihaino ny “fampielezan-keviny”. Solombavambahoaka, rafitra hanao lalàna, ilay ho fidiana saingy toa na ny teny hoe lalàna aza dia hita ho saika zara raha heno eny am-bavan’ireto te ho solombavambahoaka tao anatin’izay 3 andro nisian’ny propagandy izay. Eny fa na hatrany amin’ny fiomanana na ilay “precampagne” aza. Ity hoe fiomanana ity koa dia mbola niaraha-nahita hatrany ihany koa fa mbola isan’izay endriky ny fiovana tsy misy izay. Mbola samy mody fanina ihany ireo rafitra mikarakara sy manara-maso ny fifidianana mikasika azy io amin’ilay valin-teny tsy tompon’andraikitra hoe tsy azo atao fa tsy hita izay hanasaziana azy. Efa voadika daholo ny lalàna, hoy ny vazivazy zaritenany vao mody manao fifanekena sy sata hanoherana. Mbola miaina anaty fahantrana na ara-tsaina na ara-batana na ara-panahy ny ankamaroan’ny olom-pirenena, ankoatry ny fahantrana ara-materialy moa izany. Aiza moa no tsy hipetraka ny ahiahy hoe ndrao dia singa hanamafisana ny fanjanahantany vaovao ary ny famerenana ireo rafi-panjanahana toy ny governora? Sao dia izay rahateo no tena tao ambadik’ilay fehezantenin’ny filohan’ny HCC malaza hoe ho anareo izay tena mahalala tsara ny tantara, tena izy fa tsy nosoratana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.