Edito

Tsy misy mihetsika


  • Alakamisy 03 Novambra 2022

Tsy misy mihetsika, mba tsy hilazana hoe tsy miroso, eny, tsy misy mandroso mihitsy ny fianan’ilay fiarahamonina eto Madagasikara na koa hoe ny fiainam-pirenentsika tao anatin’izay 4 taona izay.

Mety mahita sy mandre izany indray izao ireo mpitondra sy mpiaradia aminy dia ho raikitra ny fitanisana ny hoe ny hopitaly manara-penitra tary, izao no efa tafatsangana. Ny EPP, CEG, lisea manara-penitra. Vita ny lalana tatsy. Vita ny kianja taroa. Hatramin’ny taona 2010 angamba, ho an’izay nahatadidy, no efa nisy fitanisana toy izany. Tetsy ankilany kosa anefa ireo nampanantenaina, toy ny kapoakam-bary 500 Ariary, ny menaka 2500 Ariary ny litatra, ny tramway sy ny tariny rehetra, nanao ahoana no niafarany? Tato anatin’izao 4 taona mahery kely izao indray dia samy miara-mahita sy maheno koa izao ny rehetra fa fampanantenana foana no mbola iainana mandava-taona ary toy ny filoha vao ho laniana hatrany ilay filoham-pirenena am-perinasa. Ny tetikasa Tanamasoandro io tsy mety vanona fa dia mampitokona ireo mahatsiaro ny tenany ho tena tompon-tanindrazana hatramin’izao. Ilay hoe Miami izay efa niaraha-nahita tamin’ny 4 taona lasa moa ny makety dia io izao vao fantatra io ny tena dikany, raha ny nambaran’ny filoham-pirenena. Baraingo hatreto ny flyover, ny teleferika, ireo tanana vaovao samihafa kanefa dia efa vao nampahafantarina tsy ela indray koa ny Miami hafa ankoatran’ny ao Toamasina izay hoe ho atao ao Toliara. Ny biby anaty valanjavaboary eto ratsy karakara kanefa dia ny any an-kafa indray ity no nofinofisina ho velomina eto. Hanafatra an’ity rehetra ity, izay hita ho efa zava-misy eto ihany, no hirahiraina hatrany. Isany ny vary, ny filana an-davanandro, eny, hatramina mpampianatra mpikaroka dia hoe ho afarana. Fa iza loatra aza no miezaka maneho na manao “démonstration” amin’ny filoham-pirenena ao an-dapa fa dia tsy misy azo velomina intsony ny lafiny rehetra eto na inona na inona sehatra? Ny filoham-pirenena mihitsy koa ve no tsy mino intsony fa mbola azo atao ny manorina ifotony ity firenena ity? Indrisy ry tapa-tsaosisy, hoy ilay vazivazy izay !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT