Edito

Tsy misy mihaino


  • Sabotsy 25 Febroary 2017

Toy ny rano natondraka an-damosin’ny gana ny karazam-pananarana sy ny fampatsiahivana antsika ireo kolontsaina naha izy antsika ankehitriny raha mijery ny zava-miseho manerana ny nosy.

Firy volana, efa aman-taonany mihitsy aza izao no nilazana fa habibiana, voararan’ny lalàna, manimbazimba ny soatoavina, sy ny maro hafa koa ny fanaovana fitsaram-bahoaka kanefa dia vao maika mirongatra sy miseho amin’ny endriny rehetra izy ity ankehitriny. Maha lasa saina ny zava-miseho. Indramina kely ilay fiteny natetika heno tato ho ato izay hoe toy ny tany tsy misy fanjakana e ! izany tokoa ve nefa? Ny mibaribary aloha dia tsy misy mihaino ny fanjakana raha ny mikasika izay resaka hatezeram-bahoaka izay no asian-teny. Na misy mihaino ihany saingy angady tsy mahatapaka ahitra sisa dia ireo izay mbola mitsinjo ny maha olona sy ireo mbola mino fa mbola hipoitra ny fahazavana eto amin’ity nosy ity. Inona moa no dia mampiavaka ny hoe vitsy an’isa sy ny tsy misy raha amin’ny raharaha politika ? Tsy mitovy tamin’ireo kandida nahazo latsaky ny 1% tamina fifidianana ihany ve ? Mila fieritreretana sy fahaizana mitantana ary manabe vahoaka tokoa ny fitondrana firenena.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT