Edito

Tsy misy marina izay tsy hiseho


  • Alarobia 27 Mey 2020

Nangina tsy nisy nandrenesam-peo intsony ireo vondrona manam-pahaizana nitondra fanakianana noho ny fahitana tsy fanarahana fenitra ara-tsiantifika momba ilay tambavy CVO, taorian’ny fiantsoana tany an-dapa.

 

 

 

 Zava-dehibe ny fahitantsika fanafody, saingy hatreto aloha dia tena mandohalika tanteraka ny firenena amin’ity aretina ity. Tsy voafehy ny valanaretina, mihazakazaka ny isan’ny voa, mitombo ny faritra misy tranga,… Toa tambazana hanodinkodina saim-bahoaka ny tompon’andraikitra ambony sasany hanova sy hanodina ny zava-misy marina. Indraindray tena vakiana fotsiny araka ny fitenin’ny tanora noho ilay porofon-kevitra bontolo na “arguments bidons”, hoy ny vazaha. Tena fitaratra aty Afrika sy manerana izao tontolo izao tokoa ve i Madagasikara? Tena mandeha araka ny fahintsiana ve isika ka mangina tanteraka ireo heverina ho olobe tokony ho elanelam-panahy sy mpanitsy ny tsy mety? Na ho ela na ho haingana dia tsy misy marina izay tsy hipoitra, ary izay no mahatonga ny karazana fipoahana afera samihafa manaratsy endrika ny fanjakana io. Ankoatra ny fahasalamana, lafin-javatra iray malaza ihany koa ilay hoe: niova hevitra ny manam-pahaizana anankiray nitarika ilay komity siantifika ambara fa mpanome alalana momba ny fikitihana vakoka, izay nambaran’ny fampahalalam-baovao vahiny fa niala. Any amin’ny misasakalina no mirotsaka ny taratasy tsy misy fitombokasem-panjakana milaza fa niresaka adin’ny roa, ary tsy miala indray. Nisy tsy fifankahazoana tao mazava ho azy, saingy mety nandeha fanambazana avo lenta. Na inona na inona aloha resaka tany, dia tsotra ny handraisan’ny vahoaka azy hoe: misy zavatra tsy milamina terena hilamina eto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT