Edito

Tsy misy mandeha amin’ny laoniny


  • Alatsinainy 10 Mey 2010


Anisan’ny krizy sarotra ary ela indrindra ka tena niteraka fatiantoka tsy hita noanoa ny krizy politika nanomboka tamin’ny taona 2009. Tsy ny ara-politika ihany fa voakasika avokoa ny sosialy sy ny toekarena, eny hatrany amin’ny fiarahamonina, ny eo anivon’ny fianakaviana ny toeram-piasana dia niteraka fisaraham-bazana. Ho an’ireo mpiasam-panjakana kosa aza dia tratr’izay fizarazarana sy tsy firaisankina izay koa. Re mihitsy aza fa mivaky efatra ny mpiasam-panjakana noho izao krizy izao ka ao ireo mpomba ny mpitondra ankehitriny, dia ny TGV sy ny FAT ; eo kosa ireo manararaotra ny fahazoana tombontsoa, tsy manda nefa koa tsy manaiky ny mpitondra ankehitriny, na koa manaraka na manda ny tolon’ireo mpitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo fa ny toerana sy ny vola no mahamaika ; eo koa ireo tsy tapa-kevitra. Sokajy iray hafa ireo mpomba tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana. Araka ny fanazavana, dia ireto sokajy farany sy ilay sokajy faharoa, izany hoe ireo manararaotra ny toerana sy ny vola no tena maro an’isa amin’ireo mpiasam-panjakana. Tsy nahatafavoaka mpiasam-panjakana na tamin’ny hetsiky ny TGV teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny fotoanandrony na ny amin’izao fotoana izao. Tsy naharesy lahatra azy ireo ny ‘tolona’ natao tamin’ny izany fotoana izany. Ny amin’izao fotoana izao indray dia tsy mivoaka manara-dia ny toromarika amin’ny fanidiana ny masinina ny mpiasam-panjakana entin’ny tahotra ny fanapahana karama sy ny famindran-toerana. Eo koa anefa ireo manararaotra ka mampanjaka ny kolikoly. Fampandehanan-draharaha ivelany fotsiny ihany no misy ankehitriny fa raha ny tena hoe asam-panjakana dia tsy misy mandeha amin’ny laoniny fa dia samy manao izay saim-pantany ny tsirairay.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT