Edito

Tsy misy mandeha amin’ny laoniny


  • Alakamisy 02 Desambra 2010


Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Amerikanina tamin’ny alalan’Atoa Brett P. Brien, mpanolotsain’ny serasera eo anivon’ny masoivohony eto Madagasikara. Teo ihany koa no nanazavany ny tatitra maro izay nataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mihemotra avokoa ny tondro ao anatin’ireo tatitra ireo na mahakasika ny zon’olombelona izany, na mahakasika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety raha tsy hilaza afa tsy ireo. Nambaran’io tomponandraikitra io mazava fa tsy ao anatin’ny fampihorohoroana sy ny fandrahonana mihitsy no hipetrahan’ny demokrasia sy ny fangaraharahana eo amin’ny fitondrana firenena iray. Entiny hilazana izany fa tsy mendrika ny FAT intsony ny mbola mitazona ny fitondrana satria ho zava-poana ihany ny ezaka hataony izay tsy misy mandeha amin’ny laoniny hatreto. Toa nampianarin’ity mpitondra tenin’ny Amerikanina ity mihitsy aza ny FAT manoloana ny fanazavany omaly tetsy Andranomena, satria saika nivoaka avokoa ny fanakianana rehetra sy ny tokony hatao mba hisian’ny fanjakana tan-dalàna. Asa anefa raha mba hisy fiantraikany izany... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT