Somary miova kely indray ny endriky ny tontolo politika eto Madagasikara taorian’ny fanakianan’ny ankolafy Zafy ny fomba fiasan’ny Troikan’ny SADC amin’ny famahana ny krizy.
Raha fintinina ny nambaran’ity ankolafy ity, dia tsy mahavita azy, tsy mahavaha olana ny SADC ka tsy tokony hanelanelana intsony fa aleo ataon’ny samy Malagasy amin’izay ny resaka rehetra. Etsy ankilan’izay dia mbola samy miandry izay ho fanapahan-kevitry ny Vondrona Afrikanina mivory any Addis Abeba ny fitondrana tetezamita, sy ny ankolafy Ravalomanana, izay samy manana solontena any an-toerana, na dia tsy afaka manatrika mivantana ny fivoriana aza.
Ao anatin’izany rehetra izany dia namoaka fanambarana ofisialy ihany koa Rtoa Catherine Ashton, lehiben’ny diplaomasia eoropeanina, ka nilaza fa mitovy hevitra tanteraka amin’ny Troikan’ny SADC ny Vondrona Eoropeanina amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ka miantso ireo ankolafy politika rehetra mba hanafaingana ny fampiharana ireo fepetra goavana sy manan-danja ao amin’ny tondrozotra, ao anatin’ny fe-potoana nomena, izany hoe hatramin’ny 29 febroary, araka ny nambaran’ny SADC. Izany moa dia ao anatin’ny fanajana tanteraka ny votoatin’ny tondrozotra. Mazava ny resaka eto fa tsy mahalala afa tsy ny tondrozotra ny sehatra iraisam-pirenena, ary dia efa voavaly sahady izany ny fangatahan’ny ankolafy Zafy Albert. Tsy hoe ny SADC akory no te hanelanelana, fa ny fianakaviambe iraisam-pirenena no naniraka azy handamina ny krizy eto Madagasikara, ary tsy hiala velively amin’ny fandaminana sy fanelanelanana izany izy ireo, noho ny antony maro samihafa, na ara-politika io, na ara-toekarena.
Tsy vahaolana ny fanakianana be fahatany na filam-baniny amin-dry Marius Fransman sy ny ekipany, na fitadiavana izay diso, fa izay marimaritra iraisana hanatanterahana ilay tondrozotra nosoniavina sy handresena lahatra ny ankolafy hafa hiditra anaty tetezamita no tena vahaolana. Tsy misy izany fahafaham-po 100% izany, politika no atao ka tsy mahagaga raha mba samy mitady ny tombontsoany ireo ankolafy tsirairay avy, ireo firenena vahiny koa dia manana ny tanjony matoa misisika samy te ho lohany eto. Anaty krizy ny firenena, ary tsy mbola izao no fotoana hamakiana ady amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tanterahana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra, ampiharina ireo andininy rehetra, eny fa na dia misy mangidy tsy laitra atelina aza ao. Rehefa mivaha ny krizy, misy filoha vaovao voafidim-bahoaka eo, dia ho hita indray ny ho tohiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.