Edito

Mbola mitady tia tanindrazana!


  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Niparitaka iny ny anaran’ireo voarohirohy

tamin’ny raharaha fikasàna hanongam-panjakàna na koa hoe fifofoana ny ain’ny filohan’ny fanavaozana mihitsy. Tsy vao izao moa no nahenoana filazàm-baovao tahaka izany. Fiampangàna tena nalaza sy mbola malaza koa ilay hoe fanohitohinana ny fanjakàna «atteinte à la sureté de l’Etat». Niodinkodina tanatin’izany tontolo izany hatrany ny fiainam-pirenena malagasy sy ny politika teto Madagasikara, 17 taona teo izao. Narefo ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra ary mbola eo am-panarenana izany hatramin’izao moa izany isika. Tafiditra ao anatin’izay koa ny tontolon’ny fanaovan-gazety. Ho marihina afaka andro vitsy izao ny datin’ny 3 may dia ho hita eo indray hoe nanao ahoana ny fivoaran’izay fahalalahan’ny fanaovan-gazety teto Madagasikara izay, raha ny fijerin’ny rafitra iraisampirenena misahana izany na ny Reporter sans frontière. Miandrandra fanovàna rafitra ny tanora hoavin’ny firenena. Miandrandra fanovàna! Nametraka rafitra kasaina hitondra fanavaozana io ny nomena fahefàna teny an-kianja. Sarotra ny mahita olona tena tia tanindrazana eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’ny fanavaozana, ary dia mbola mitady tia tanindrazana hatramin’izao izany ny lehilahy sy ireo mpiara-miasa heverina hoe akaiky sy tena hitokisany hatreto aloha! Isan’ireo efa mba voafaritra anatin’ny atao hoe tia tanindrazana koa amin’izao fotoana izao ve nefa ny filohan’ny fanavaozana sy ireo mpiara-miasa aminy? Fanontaniana isan’ny apetraky ny mpanara-baovao maro izany saingy ny mahavaky loha ireo heverina fa tia tanindrazana tokoa aloha izany izao dia ny hoe ho tonga any amin’ny fikaonandoham-pirenena tena hamaha tanteraka ny olana eto amin’ity firenena ity marina ve isika ity raha toa ka izao no marimpana politika eto amin’ny firenena hatreto? Afaka ny ho tonga any amin’ny marimaritra iraisana hisian’ny fitoniana tanteraka mialohan’izany ve ireo milaza azy ho mikatsaka tombontsoam-bahoaka rehetra ireo na anaty fitondràna io na ivelany? Hionona amin’ny fivelomana amin’ny kaonty fako amin’ny tambazotran-tserasera samihafa ve ny mpiray tanindrazana sasany mba hanohanana tambazotra efa hita fa hanimba ny firenena indray fa mba hijery manomboka eto ny hoavin’ny taranaka any aoriana? Mbola mitady tia tanindrazana marina!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT