Edito

Tsy misy ilana azy !


  • Alakamisy 12 Mey 2016

Manaratsy endrika tanteraka an’i Madagasikara eo imason’izao tontolo izao ny kolikoly izay hita amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona.


 Azo tarafina amin’ny fampiasan-kery diso tafahoatra ataon’ny mpitandro ny filaminana izany. Nanamafy io omaly raha nikabary tao amin’ny lapan’ny antenimierandoholona Anosikely Atoa Ban Ki Moon, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana. Hita taratra tamin’ny lahateniny sy ny fehezanteny nampiasainy fa misy fepetra tsy maintsy hohajain’i Madagasikara ho tambin’ny fanampian’ny firenena mikambana azy. Ny kolikoly no mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo tena hiantraika mafy amin’ny Malagasy, hoy izy. Fanambarana izay toa milaza an-kolaka fa misy famatsiam-bola mihodina fa tsy miasa any amin’ny tokony hilana azy. Tsy isalasalana intsony fa hitombo isa hatrany ny Malagasy mahantra fadiranovana raha tsy manana finiavana politika, fahasahiana sy fifehezan-tena ny mpitondra ka miady tokoa amin’ny kolikoly. Ny tena loza dia sady tsy hahazo fanampiana avy any ivelany i Madagasikara ary tsy mahavelon-tena no mbola misy olom-bitsy manangon-karena sy mitsentsitra ny zava-tsoa rehetra ihany eto. Ka raha mpitondra tsy mahita vahaolana amin’io dia tena tsy misy ilana azy mihitsy e !


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT