Tsy misy ho antenaina!

Fitenintsika malagasy moa ny hoe


  • Alatsinainy 03 Febroary 2025

Tanana zatra mitsotra tsy afa-mivonkona intsony!».

Hatrany am-boalohany no nalaza tamin’ny seho ivelany na ilay nantsoina taty aoriana hoe «werawera» ny fitondràna ankehitriny ary dia io iaraha-mahita io fiaraha-mizaka ny werawera mitohy tohizan’ny filoham-pirenena atsy Zinbabwe mikasika ny resaka famahana ny olana misy ao RDC sy Rwanda. Efa zary ataon’ny mpanara-baovao fihomehezana sisa ny fihetsika politikan’ilay mpitondra. Ny olan’ny JIRAMA eto mbola maha velon-taraina ny isam-paritra, na resaka rano io na resaka herinaratra. Toy izany koa ny olan’ny fandriampahalemana sy ny fahapotehan’ireo lalam-pirenena. Ny vidim-piainana lafo. Ny tsy fisian’asa mamely ary na hiresaka ara-pahasalamana koa aza dia hatramin’ny aretina efa fongana tany amin’ny firenen’olona efa tamin’ny taonjato efa ela aza dia io mbola miverina eto amin’ny firenena tarihin’ilay olona hoe hamaha ny olana ara-pahasalaman’ny firenen-kafa io. Tsy vitan’ny hoe firenena malaza ho faran’ny mahantra amin’io ilay firenena maha filoham-pirenena anao fa mbola hoe misy pesta ihany koa. Tsy misy ho antenaina aloha, araka izany, hatreto raha ny resaka mety ho fiovam-pamindran’ilay fitondràm-panjakàna mijoro, raha ny mikasika ny famahana ny olana eto an-toerana no resahina. Ireo herivelona nanambatra hery nilaza mazava fa hitondra vahaolana aza moa tsy nohenoina akory fa avy dia nosakanana tsy hivory ny faran’ny herinandro teo ka inona tokoa moa izany no azo antenaina amina fitondràna tsy mihaino ny hafa izany akory?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT