Tsy misy ho adino amin’ny fahantrana !

Raha ny kabary polotika tsara lahatra nentina nanehoana


  • Talata 03 Jona 2025

fa tia an’ity Madagasikara ity tokoa ny mpitondra, nilazana fa vina sy hevitra, nanehoana fa hitondra

fampandrosoana,… mety efa tanteraka ilay isika ho sangany aty Afrika sy hanavotra izao tontolo izao. Mbola tsy izay aloha no iainana eto, fa arakaraka ny hanaovana fampanantenana fa hanavotra sy hampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy arahina fanadiovan-tena sy fanandratan-tena no toa vao mainka mampilentika an’i Madagasikara. Iza no tsy mikaikaika amin’izao fahantrana mandifotr’olona izao ? Tsy mampanongo tena ve ny fivoahan’ny lisitry ny Firenena voasokajy ho mivoatra indrindra aty Afrika kanefa tsy ao anatin’ny 10 voalohany i Madagasikara kanefa ny mpitondra azy no voasafidy ho Filoha Afrikanina mendrika indrindra ? Mandohalika ny Firenena, marary ny vahoaka Malagasy, sahirana mitady izay harapaka ny isam-batan’olona, ny hoanina anio tadiavina rahampitso, velona fa tsy miaina,… Izany no manamarika ny andavanandrom-piainan’ny valalabemandry, saingy zary efa tsy maharototra intsony ireo be fahefana. Tsy maharo ny mpitondra ny lazaina fa asa fampandrosoana nataony, saingy tsy rototra sy tsy taitra izy satria mihevitra sy mahatsapa fa tsy afaka mikofoka firy intsony ny Malagasy na atao taingim-bozona aza. Sokajiana ho toy ny babo ka manaiky izay tiana hanaovana azy sisa farahery. Sanatrian’ny vava toa efa afobe izany ny fiainam-pirenena raha ny fahoriana isan-tsokajiny mahazo ny olom-pirenena. Raha milaza ny mpitondra fa tsy misy faritra sy distrika ho adino, dia tena marina saingy, tsy misy tsy mahazo ny anjarany amin’ny fahantrana, fahoriana, krizy sosialy,… Tena tsy misy tsy mahazo ny isam-baravarana ho an’ny 90% amin’ny Malagasy, fa tena samy mizaka ny kapoaka mangidin’ny fahantrana sy fahapotehan’ny Firenena vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Tena resy ny valalabemandry ! Resin’ny tsy fahaiza-mitantana, resin’ny fitiavan-tseza, resin’ny fitiavan-tena,… Tsy finiavana hitsikera na hanaparitaka hovitra miiba, na koa hamendrofendro sy faly hitanisa ireo tsy fanjariana, fa raha tsy hamafisina ireny, raha tsy mahatsapa ny Malagasy fa efa tsy rariny intsony izao, raha tsy mifoha sy tonga saina fa mila miova sy manova, dia ho eto hatrany isika no ho raisina ao anatin’ny 5 taona mitsimbadimbadika. Sao ny pejy politika no mila hatsimbadika amin’izay mba hahafahana miara-mihevitra izay hanavotana ity tanindrazana ity sy ny mponina ao aminy e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT