Tsy misy hivina fahendrena kely

intsony mihitsy ve ?


  • Alarobia 07 Mey 2025

Izay mamafy rivotra tsy maintsy hijinja tadio,

ny mihomehy lavo aza misy tsininy, ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona, ny tody tsy misy fa ny atao no miverina,… Fomba fiteny mirakitra soatovina Malagasy ireny mba hitandremana hitandroana ny tsara ka tsy hanaovan-dratsy satria misy valiny avokoa ny zava-drehetra. Asa na mba manan-kery io amin’ny mpanao politika indrindra fa ny mpitondra ankehitriny ? Firifiry ny fametavetana ity Firenena ity sy ny vahoaka Malagasy saingy vitavita ho azy ? Inona ny zava-dratsy tsy natao teto niainga tany amin’ny 2009 ka hatramin’izao nanaovana kilalao maloto politika sy nambolena kolontsain’ny tsy maty manota ? Inona tamin’ireo zavatra nolazaina fa tsy mety tamin’ny fitondrana Ravalomanana na ny fitondrana Rajaonarimampianina no tsy miseho sy nitombo avo folo heny farafahakeliny ankehitriny ? Betsaka ny fandikan-dalàna sy lalàmpanorenana, mampiteny ny moana ny kolikoly avo lenta, tapitra potika ireo orinasam-panjakana,… Ny resaka fahalalana ara-politika sy ny demokrasia izany moa dia ririnin-dasa tsy tsaroana ny fidradradradrana an’io tany aloha, ka rehefa ny volomboasary no misioka dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo. Ankoatry ny fandorana sy fandrobana tamin’ny fotoan’andro, tonga hatramin’ny filanjana vatam-paty teny amin’ny 13 mey ka nampilaharana ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka ho toy ny razana. Dia asa re fa vao tapa-bolana lasa izay no niresahan’ny filoha ankehitriny ny soatoavina Malagasy amin’ny hoe : mila mandray vahiny, tsy ekena ny fanaratsiana amin’ny vahiny tsy zavatra tsy mety eto, fa ekena ny famitaham-bahoaka samihafa tamin’ireo fampanantenana lava tsy tanteraka, ekena ny fitantanana tsy mahomby mampahantra vahoaka, ekena ny fampitoviana ireo tsy mitovy hevitra ho toy ny alika,… Tsy mba manana fanetren-tena hanaiky ny tsy fahombiazana mihitsy fa dia ny hanadio sy hanamarin-tena ? TMbola mampidina sy mampirefarefa ny adihevitra sy ny raharaham-pirenena amin’ny fihantsiana samihafa,… Mbola mitafy ny fanahin’ny fahendrena ve ? Tsy misy na hivina fahendrena kely intsony mihitsy ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT