Ohatry ny fomba fiasa rehetra io ! Mihinam-bary aza misy latsaka, hoy ny minisitry ny vola sy ny tetibola manoloana ilay raharaha fivoahan’ny sora-bola midangana be momba ny tsenam-panjakana nivoaka tamin’ny tranonkalan’ny sampandraharaha misahana izany.
Toe-javatra sokajiana ho loza amin’atambo sy henatra ho an’ny mpitondra fanjakana tahaka ireny ve dia tsotsorina fotsiny ohatr’izany ? Inona loatra no mety ho antony sa sanatria voasangiditra ao anatin’ny raharaha ary mitombina ireny nambara fa fahadisoan’ny fandraketana an-tsoratra ireny ka tsy maintsy mamono afo sy mifampiaro sao hiara-kilentika ? Manamafy ny toe-tsain’ny mpitondra HVM hoe vitavita ho azy ny fahadisoana mihoapampana sy fahotana mahafaty ataon’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena. Mandeha ny kolikoly avo lenta, dia tsy misy tohiny intsony fa naman’ny afa-bela ry Claudine Razaimamonjy, mandeha ny aferana boaderozy dia vitavita ho azy sy toy ny olona tsy nanao na inona inona ry Bekasy, mandeha ny resaka kolikoly 70 000Euros dia mifampiaro be fahatany fotsiny fa tsy misy fanazavana sy fanadihadiana ara-teknika,… Tsy mba misy fanazavana mafonja sy azo inoana mihitsy ny fanazavan’ny mpitondra fanjakana, fa fiheverana ny vahoaka ho dondrona sy bado hatrany. Tsy misy hevitra intsony satria fandoto iray tandroka no manamainty sy manaratsy endrika ny fanjakana HVM, fa efa mainty molalin’ny afera sy ny fitiavan-tena ny rehetra, ka tsy misy afaka ny hamerin-doha. Ny Malagasy sisa no toa tezaina sy terena hisotro ny rano tsy tiana mbola hanaiky sy hankato izay tian’ny mpitondra atao. Tsy misy fanafodiny intsony hampiova an’ireo, fa ny Malagasy no mila mandray ny andraikiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.