Edito

Tsy misy fototra iorenana


  • Zoma 26 Martsa 2010


Ekena fa tsy ny olon-drehetra no nianatra sy mahay lalàna, indrindra ny lalàna natao hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Na izany aza, misy kosa ny farafahakeliny mba fantatry ny ankamaroan’ny olona. Anankiray amin’ireny ny lalàna natao hifehezana ny fifidianana. Tsy misy fifidianana azo atao sy tanterahina, raha tsy misy lalàna mametra azy. Hanao fifidianana depiote isika izao, hoy ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Lalàna inona no natao fototra iorenan’izany fifidianana izany, misy lalàmpanorenana ve eto sa ny satan’i Maputo sy ny fanekena tovana tany Addis Abeba izay natao hahasolo ny lalàmpanorenana no itantanana ny firenena? Na didim-panjakana, na didy hitsivolana dia tsy mahasolo velively ny lalàmpanorenana. Tsy ara-dalàna ny fifidianana hatao kitoatoa toy izao ary tena fanamparam-pahefana ataon’ny olona te hanatanteraka ny politika ratsiny. Mihevitra angamba ny mpitondra ity tetezamita tsy eken’ny rehetra ity, fa tsy ho takatry ny olona ny tetika tiany hotanterahina amin’io fifidianana tadiaviny hatao ato ho ato io. Antenimieram-panorenana, hono, izany hoe depiote hamolavola lalàmpanorenana. Efa fantatra mialoha anefa fa tsy maintsy ny olona mpomba azy sy mpisolelaka no ho maro an’isa amin’io fifidianana io. Ambara fa hoe malalaka sy mangarahara ny fanatanterahana azy. Tsy misy olona mino sy matoky an’izany anefa, efa betsaka rahateo ny zavatra lazain’izao fitondrana tetezamita izao saingy tsy arakarak’izay ambarany no tanterahiny. Zavatra nosoniaviny teo imason’izao tontolo izao aza sahiny tsipahina ka dia peta-toko avokoa ny sisa manaraka.

DR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT