Tsy misy fotony!

Zaza very, vono olona,


  • Talata 20 Mey 2025

tsy fandriampahalemana,

fitrandrahana ny harem-pirenena tsy mety mazava, harem-pirenena tsy mety mipaka any anaty vilanim-bahoaka, vesatry ny vidim-piainana, maro dia maro amin’izao fotoana izao ny fotodresaka tokony arahan’ny fitondràm-panjakana vahaolana eto amin’ity firenena ity saingy resaka tsy misy fotony hatrany no hita mivoy eny amin’ny fantson-tserasera isan-karazany, indrindra moa fa ireo tambazotran-tserasera. Ny manahirana ny miheritreritra azy ao anatin’izany rehetra izany dia ireo heverina fa tokony ho isan’ny sokajiana ho mpitondra na mpampita hafatra avy amin’ny fitondràna eto amin’ity firenena ity mihitsy no tonga amin’ilay fomba fiteny mahazatra hoe «manondrana», mba tsy ilazàna hoe toa manaotao foana? Ny resaka fitafin’ny vadin’ny filoham-pirenena no mibahan-toerana. Maninona moa no afantoka amina olona iray na Kolonely iray ny resaka fitrandrahana mahakasika vondron’olona na «ethnie» maro eto amin’ity firenena ity? Miha mafy indray io ny delestazy sy fahatapahan-drano saingy tsy ahenoana feo na ny avy amin’ny mpitondra na ny avy amin’ny fanoherana. Ny resaka omby misy trafony hoe hain’ny filoham-pirenena ve sa tsia hoe misy trafony foana ireny? Izany izao no mibahana amin’ny adihevitra politika eto amin’ity firenena ity. Tsy hita mazava mihitsy hoe efa hain’izao fitondràna izao ve, fara-faha ratsiny ny fototr’olana eto amin’ity firenena ity? Efa hain’izao fitondràna izao tsara ve, eny hain’ny mpanohitra sy mpanao politika hafa ihany koa, hoe inona no tena maharary an’io malagasy io na inona marina no tena andrasany amin’ireo mpitantana ny firenena? Ny an’ireo fiarahamonim-pirenena moa dia tsy misy afa-tsy ny resaka fifidianana. Mbola ny resaka hoe tsy azo ekena ny kolikoly no fehezanteny tena miverimberina fa hatreto tsy fantatra hoe inona no tena paikady mahomby, fara-faha ratsiny, hanalefahana ny fisian’izany. Nahavaha olana ve ny fisiana rafitra be dia be toy ny Bianco, Samifin, PAC, ARAI sa tonga amin’ilay fanamarihan’ireo firenen-kafa any ivelany hoe arakaraky ny firoboroboan’ny rafitra toy ireny ao amin’ilay firenena no vao mainka mampirongatra ilay fahalovana? Andrasana hatramin’izao ny vahaolana tena mampandroso fiainam-bahoaka mba ialàna amin’ny vahaolana tsy misy fotony!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT