Edito

Tsy misy fiatsarany


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Raha efa tany amin’ny taona 1970 izany ry mahaleo no efa nahita fa “ny fanantenana efa mihena mitsilopy.”, “tsy misy fihatsarana,”, “izay mety ho fiovana, efa zary nofinofy.

” dia inona intsony izany no azo ilazana ny zava-mitranga ankehitriny? Nahatonga saina ihany ny fampahatsiahivan’ny mpahay toekarena iray omaly fa hay tokoa moa ity Madagasikara ity mba efa nanana izany SOLIMA izany, izay orinasam-panjakana Malagasy namatsy solika teto. Efa mba nanana izany atao hoe Telecom Malagasy izany ihany koa, izay orinasam-panjakana Malagasy madiodio tamin’ny fotoan’androny saingy efa tsy izay intsony ihany koa ankehitriny. Hain’ny mpanara-baovao ny tohiny. Mbola io izao ny orinasa JIRAMA saingy efa mampanahy be ihany koa hoe hanao ahoana ny ampitsony? Ny paositra Malagasy koa iny niaraha-nahita sy nandre iny omaly ny antony mampitokona tsy hiasa ireo mpiasa ao. Vita sy mamirapiratra ireo fotodrafitrasa manara-penitra miloko volomboasary sasany ankehitriny. Efa fanontaniana mipetraka matetika ny hoe aiza ny fitaovana ao anatiny? Aiza ny mpiasa? Afa-po ve ireo efa nandalo tao anatin’izy ireny? Fanontaniana vaovao goavana sy lasa maha tonga saina ihany koa izany izao rehefa mahita ireo zava-misy hafa voatanisa teo aloha teo ireo dia ny hoe hanao ahoana ihany koa izany ny mety hoavin’ireny fotodrafitrasa vaovao mariky ny fandalovan’ny fitondrana volomboasary ireny? Hopitaly manara-penitra, Pharmalagasy, Kianja Barea sy ny mety ho hafa rehetra eo? Mampahatsiahy ny fanahian’ilay mpandinika andro iray izay hoe mbola ho tompon’I Madagasikara ve ao aoriana kely ao ny Malagasy? Heverina fa sahy angamba izay milaza fa efa miroso amin’ny fiatsarana ny fiainan’ny Malagasy isam-baravarana amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny hoe tsy misy fiatsarany, araka ilay tononkira efa ela notanisaina teo intsony, aza fa tena miha ratsy mihitsy ny ankamaroan’ny fiveloman’ny mpiara-belona. Ireo mpitondra ihany sisa tsy marefo eto, hoy ilay antoko politika iray izay. Mbola hifantoka amin’ny fananganana mamirapiratra nefa mamparefo ny vahoakany hatrany ve ny mpitondra ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT