Edito

Tsy misy fialan-tsasatra


  • Alarobia 22 Desambra 2010


Tsy misy fialan-tsasatra aloha amin’ity taona ity ireo mpanao politika fa dia mitohy ny fivoriana isan-karazany ho fanomanana ny fihaonana amin’ny taom-baovao. Azo antoka mantsy izao fa tsy maintsy hisy indray ny fampihaonana ireo ankolafy politika eto Madagasikara ny volana janoary 2011, na farafahatarany ny fiandohan’ny volana febroary mba hametrahana amin’izay ny fifanarahana politika vaovao tena eken’ny maro an’isa. Tsy dia fomba fiteny firy moa eo amin’ny tontolo politika ilay hoe rehetra, fa maro an’isa no tena fampiasa satria izay no voambolana azo hamaritana tsara ny adihevitra demokratika. Hiverina eto amintsika indray ny Dr Leonardo Simao avy amin’ny SADC amin’ny volana janoary io, rehefa avy nanao tatitra tany amin’ireo naniraka azy, ary efa nitondra ny valin-kafatra ihany koa ka hiakatra ambonimbony kokoa ny adihevitra.

Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy dia tokony hiroso amin’ny adihevitra hizarana ny toerana eo anivon’ny tetezamita iaraha-mitantana amin’izay ny rehetra fa tsy hiresaka zavatra hafa intsony manomboka amin’io volana janoary io. Ny voambolana sy ny fomba filazana azy no mety miova, fa raha ny tena marina dia ny satan’i Maputo no ezaha ifanarahana apetraka sy ampiharina amin’izao fotoana. Misy anefa ny fanamboarana tsy maintsy atao satria efa manomboka manana ny toerany eo amin’ny tontolo politika sy ny famahana ny krizy ireo antoko sy fikambanana ankoatra ny Ankolafy Efatra, izay nosokajiana ho : «autres sensibilités». Midika izany fa tsy maintsy hisy ho voakitika ny anjara toeran’ny ankolafy tsirairay avy satria maro be ireo antoko mivondrona ao anatina ankolafy politika vaovao ankehitriny.

Manan-kery izany fanovana izany ho an’ny fandrafetana ny governemanta, ny CT, ny CST, ny CENI, ary ny Komitim-pirenena momba ny fampihavanana. Fa tsy mampifankahazo tsara ny tadin-dokanga eo amin’ireo ankolafy politika ihany koa ny daty hanatanterahana ny fifidianana sy ny filaharan’ny fifidianana hotanterahana, midika izany fa na hofoanana, na hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny datin’ny 16 martsa, satria azo antoka fa tsy haharesy lahatra ny maro an’isa izy io. Efa nitranga izany tamin’ity taona ity, ny 20 aogositra no nikasan’ny FAT hanaovana ny referandaomna, saingy ny 17 novambra vao vita ilay fifidianana Ben’ny tanàna ny 20 desambra moa dia nofoanana ary tsy fantatra intsony izao hoe rahoviana indray no hotanterahana. Mbola adihevitra be koa ny hoe inona no fifidianana hotanterahana manaraka, ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina manitrikitrika fa ny depiote aloha no hofidiana mialoha, ny Ankolafy Telo sy ireo mpanao politika maro be ary ny mpandinika ny toe-draharaha politika milaza fa ny fifidianana filoham-pirenena no tokony hirosoana manaraka, satria izay no lôjika taorian’ny nahalanian’ny lalàmpanorenana, ny filohan’ny Repoblika rahateo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitandroana sy fanajana ary fampanajana io lalàmpanorenana io. Mazava izany eto ny resaka fa tsy manao vakansy ny mpanao politika fa voatery mikatro-doha mikaroka ny vahaolana ivoahana amin’ny krizy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT