Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy !

Mbola mitombona foana hatreto mora


  • Alarobia 21 Mey 2025

ho an’ny mpitondra ankehitriny ny manao amboletra mandrombaka sy

mandroba fahefana niainga tany amin’ny fanonganam-panjakana hatraty amin’ny kajikajy sy amboletra ara-pifidianana samihafa. Ahariharin’ny karatra koa anefa fa ny fahefana no azo, fa ny fahombiazana tena mbola lavitry ny kitay ny afo. Mahay maka fahefana fa tsy mahay mitantana, hany ka toa miha milentika hatrany ny Firenena. Sarotra ny miaro sy manamafy ny fahefana azo amin’ny alalan’ny vokatra, tsy maharo ny fitondrana ankehitriny ny ambara fa asa vita sy ezaka ara-pampandrosoana notanterahana. Zary propagandy mandavan-taona, fanandratan-tena, fanadiovan-tena, fanenjehana sy famoretana mpanohitra,… Sasatry ny mamono afo sy mifehy olana etsy sy eroa, hany ka zary krizy mandavan-taona ny Firenena, miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka ny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, mikiky ny firenena sy ny toekerana ny kolikoly amin’ny endriny rehetra,… Maneho sy manaporofo ny zava-misy, fa tsy fandrosoana sy fahamarinan-toerana afaka haorina eo ambony tsy fahamarinana izany, tsy misy fiadanana tena izy ho an’ny mpitondra tsy tena niorina tamin’ny marina sy ny rariny,… Dia izao iarahana mahita sy miaina izao ny zava-misy. Tsy resaka fankahalana fitondrana, na finiavana hitehaka amin’ny tsy fahombiazana,… fa kosa ny marina marina foana. Efa betsaka izay fanatsikafonana ny tsy nety izay, efa betsaka izay filazana ny marina izay,… fa toa tsy nampihetsi-bolomaso ny mpitondra, fa zary nampiakariny aza ny lentan’ny tsy fanjariana, vao mainka nampiasainy ny herin’ny vola sy herin’ny miaramila, ary ny politikam-pangejana farantampony heveriny fa hahafahany hitazona ela ny fahefahana. Tsy misy mpanongam-panjakana ho demokraty izany, hoy ny mpandinika politika iray izay ! Marina izany, ary sarotra ny hino sy hanantena fa mbola hisy fahagagana amin’izao fitondrana izao. Anjaran’ny Malagasy no manokatra ny mason-tsaina sy masom-panahy mba hahafahana mamadika pejy amin’ny ho avy ! Mila ny rehetra Firenena !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT