Tsy misy fiadanana

ho an’ny ratsy fanahy !


  • Talata 02 Desambra 2025

Ny làlana no tsy asian-dratsy

tahotry ny mbola hiverenana ! Iray andro ny an’ny mpangalatra fa ny 99 andro an’ny tompony ! Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy ! Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona ! Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina,… Fomba fiteny mitahiry soatoavina lehibe ho an’ny Malagasy izany, mba hitandremana amin’ny ho avy. Dia io iaraha-mahita io ny zava-misy ara-politika taorian’ny fitsimbadihana sy fiovana niseho teto amin’ny Firenena. Iza no nanampo fa ireo mpitondra nihevi-tena ho andrianjoelimanjaka sy ireo nihevitena ho ravatolampy tsy azo hontsonona no indro fa nidaraboka tao anatin’ny telo herinandro monja ? Marina fa nitsoaka any ivelan’i Madagasikara ireo lohan’ny mpisorona teto amin’ny Firenena fa moa tena miaina anaty fiadanana amin’ny harena sy vola feno alahelon’ny Malagasy ve sa mitaintain-dava tahaka ny sahobakaka ambodiriana ? Dia io iaraha-mahita io ny zava-mitranga mikasika ny mpandraharaha mpanefoefo teratany Malagasy atsy Maurice. Tsy hoe manenji-dresy ary tsy resy velively izy raha ny lanjan’ny harena sy ny fananany, fa tena hoe misy fetrany ny zava-drehetra e ! Tahaka izany ihany koa ilay lasa nitsoaka any Dubaï izay migalabona amin’ny harem-pirenena efa naondrana nialoha, izay heverina fa mety ananana ny harena sy ny vola fa ny fiadanam-po mety hiviny, eny fa na dia ny alahelon’ny Malagasy tamin’ny tsy fanjariam-pitantanana teto aza. Tsy maintsy hitaintaina sy hihery eo anatrehan’ny antso fampisamborana iraisam-pirenena. Firifiry ireo nanao vava tsy ambina teto dia inona nankaiza sy inona no iafarany ? Tsy faly hifanenjika sy hifanameloka fa raha tsy mahay mandray lesona amin’izao ny mpanao politika dia efa tsy hiova intsony ! Kodiaran-tsarety io ka aleo manao ny soa hohasoavina e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT