Tsy misy fandrosoana tongatonga ho azy !

Tsy misy fandrosoana sy fivoarana tongatonga


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

ho azy fa miankina amin’ny finiavana sy fahavononana ary paikady mahomby

hahatanterahana an’izany. Tsy misy ny fahagagana, fa tena mila matotra ny mpitondra izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana sy fanapahan-kevitra ho an’ny firenena, ary tsy finiavana hanakiana sy hitsikera raha toa ka sarotiny ny sokajin’olona maro maneho fa mizotra makany amin’ny tsy izy ny fitantanana. Mila mpitondra mahafantatra tsara ny firenena, manana vina sy programan’asa mahomby sy mifanaraka amin’i Madagasikara. Mila jerena ireo lesoka maro mila harenina tahaka ny hoe : tena mety sy mifanaraka amintsika ve io maodelim-pampianarana ankehitriny io ? Inona no maodely ara-toekarena mety sy mahomby ho an’i Madagasikara ? Ahoana no hanatsarana ny politikam-pamokarana mba tsy ho hanary vola sy harena lava amin’ny fanafarana eto ? Mampahatsiahy ny tany amin’ny fitondran’i Dadabe Ratsiraka fahavelony hoe : ny firenena mandroso amin’ny taona 2000 dia ny firenena mahavita tena ara-tsakafo sy afaka manondrana. Raha mijery ny firenena matanjaka maneran-tany, tsy tongatonga ho azy ireny, tsy nanetsetra teo ny mpitondra sy ny vahoaka, na koa niandry mana avy any an-danitra sy nanantena tosika fameno sy vatsy tsinjo, fa tena niasa sy namokatra, nanome hasiny ireo manam-pahaizany ka nanao izay hivelaran’ireny, nanosika ny mpandraharahany hivelatra hatrany fa tsy mifampisintona midina. Andeha anie handray ohatra kely e ! Nisy fotoana vizana tanteraka ny indositrian’ny fiarakodia tany Etazonia satria nibahan-toerana ny tsenan’ny fiara asiatika, fa ny Fanjakana mihitsy no niditra an-tsehatra nandrotsaka 300 miliara dolara hanavotana azy ireo tamin’ny fitondran’i Donald Trump satria ireny no isan’ny mamelona ny fireneny, ireny no maha izy azy,… Mitaky vokatra anefa avy eo fa tsy hiandrandra an’izay foana, ka mifamelona sy mifambotry tahaka ny misy aty amintsika. Tsy vitan’ny manetsetra fa tena mila fitiavan-tanindrazana amin’ny endriny rehetra, mila fahafantarana ilay firenena, mila fijerena ny tombotsoan’ny maro an’isa,… fa tsy fampatoriana lava amin’ny fanararaotana ny fahantran’ny Malagasy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT