Edito

Tsy misy fanafodiny


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Inona moa izany sisa fanantenana ho an’ity fanjakana ity ? Nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana iny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana.


 Raha fitsaharan’ny hetsika eny an-kianja no tokony ho tambin’io ho an’ny fanjakana, dia mizotra mankany amin’ny fanamafisana ny tolona kosa ny an-daniny. Fandresena sy vao mainka mampitombo ny herin’izy ireo ny nambaran’ny HCC, saingy mbola lehibe noho iny ny fiandrasana ny tohin’ilay fanalana ny filoha. Efa takiana ihany koa ny fandravana ny governemanta. Ny handefy tanteraka ity fanjakana ity sy hisoroka ny kajy maloto mbola tian-kapetraka hibatana mora foana ny fahefana amin’ny fifidianana no tanjona. Toa tsy misy fanafodiny intsony ity fanjakana ity satria na tsy hoesorina amin’ny toerany aza ny filoha dia ho tapitra hatreo ny nofinofin’izy sy ny ekipany hanohy ny hevitra maloto nomanina hatrizay. Any amin’ny mpanohitra izao ny hery. Ny fara fanantenana ho an’ny HVM dia ny miara-mamolavola fitsipi-dalao hiaraha-manaraka mba tsy hisian’ny tombo sy hala. Raha mbola hihevitra hampiasa fahefam-panjakana na hamoritra ny kandida atahorana dia efa naman’ny nilaozan’ny tantara ary mijanona ho nofinofy. Efa tsy misy fanafodiny intsony io fa ny manomana fifidianana miaraka amin’ny rehetra sy mitovy laharana amin’ny rehetra sisa fara fanantenana raha toa ka ho afa-bela manoloana ny loza amin’atambo, toy ny kolikoly sy afera maizina tsy tambo isaina natao hatrizay. Ho hita eo amin’izay ny vavaben’iny olona iny hoe matanjaka araka ny nambarany ve ny antoko bemangany, izay niantehatra tamin’ny kajy maloto ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT