Edito

Tsy misy fanafany


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Miala aina ny fanjakana Rajaonarimampianina, saingy toa mbola miezaka mitsipatsipaka mitady izay fomba rehetra hahitana rirany kely sisa.

Raha aretina toa efa tsy misy fanafany intsony, saingy mbola miezaka mitady izay dokotera rehetra mety hanafaka na hanalava kely ny andro iainana angamba. Miezaka mafy mampiteny ny mpitandro ny filaminana, fa ho avy izy ireo amin’ny angady sy ny harona raha vantany miteny ny hampiharana ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka ny filoha. Mba nahita tombony kely 72 ora tany amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana momba ilay fangatataham-panazavana mikasika ny fandravana ny governemanta tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mbola hahita hevitra hihodivirana ihany ve amin’izao efa aina am-bivitra izao ? Dia faly ery ny sasany fa tsy voakitika, hono, ny filoha fa tafajanona amin’ny toerany eo. Ny eny an-kianja anefa mbola manamafy fa tsy maintsy hanapaka ny lohan’ity fanjakana ity hahafaha-miroso amin’ny tena fanovana, ka asa lahy raha mbola tena ho tafatombina eo ihany iny rangahy iny na hisintaka moramora. Toa tsy fombany ny manaiky resy mora foana satria na efa lavo aza mbola avo vava, saingy ho hita eo satria hanomboka hidaraboka ny andry iankinany. Hatramin-dry Rabekonetaka anisan’ny avo vava toy ny gisalahy homan-ketsa aza mantsy, dia tsy re firy intsony ny fanenony.  Vava re izao, hetraketraka re izao, saingy io ilay hoe misy farany ny zava-drehetra e ! « Raha mitohy ny hazo lanin’ny voalovo lanitra », hoy ilay fiteny izay. Aretin-doza ho an’ny firenena ka tsy maintsy fongorina hatramin’ny fotony io fanjakana io, raha izay no azo handikana ny fanasokajian’ny maro azy, indrindra fa ny mpitolona eny an-kianja. Anatra ho an’ireo mpitondra ho avy e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT