Tsy misy fahagagana

ny fitantanana firenena


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Raha ny seho ivelany sy kabary ambony latabatra miampy ireo

fampanantenana zavon-tany no tanteraka teo amin’ny 50% fotsiny mety efa tanteraka ilay hoe : Madagasikara lasa sangany sy voalohany aty Afrika. Indrisy anefa fa toa zary lasa fanesoana antsika ireny rehetra ireny, fa tsy arakaraka ny vava tsy ambiny sy fampanantenana mirarakopana. Tsy adala ny Ntaolo miteny, fa ny tranom-pody no vita amin’ny vava, ary io tokoa no raisina ho ohatra amin’ny zava-misy dia tena niasa sy nanao ny ainy tsy ho zavatra aza ireny vorona ireny nampiasa ny vavany, fa tsy niandrandra fahagagana tsy narahin’asa. Mbola tsy nahazo lesona foana ve fa tena mila traikefa sy fahaiza-manao ilay mitondra firenena ? Mbola tsy tonga saina foana ve fa tsy vitan’ny fanofinofisana na aingam-panahy sendra miserana dia hoe : handeha hanao an’izao sy izao fa tena mila vina sy programa mazava sy mahomby miaraka amin’ny hoenti-manana ampy sy mazava? Tsy misy angamba mpitondra iray hanana eritreritra hoe : andeha hopotehiko hataoko farahidiny any amin’ny fahadimy farany mahantra indrindra na hakariko 7% ny tahan’ny olona mahantra ao anatin’ny 5 taona, na koa hoe : hataoko ho fahatelo maivan-danja indrindra ny vola Malagasy, na hataoko mitotongana ambony ny fari-piainana sy fahefa-mividin’ny Malagasy,… fa matoa tonga amin’izao na mety niezaka aza dia tsy nahay nitantana, tsy nahomby, tsy ampy traikefa, tsy nahay nifidy ny laharam-pahamehana, tsy atokisan’ny mpiara-miombon’antoka. Tena mila fahatsapan-tena sy fihaikena fa betsaka ny lesoka mila ahitsy, maro ny fanintsiana tokony hapetraka, fa indrindra indrindra mitaky fanetren-tena sy fahintsiana ny fitantanana firenena, fa tsy fitondran-tena ho mpanjaka na amperora ka na inona na inona fahadisoana sy tsy fanjariana atao amin’i Madagasikara sy ny vahoaka dia tsy olana. Ny tànana efa zatra mitsotra ve anefa mbola afaka ny hiforitra ? Tsy misy fahagagana ny fitantanana Firenena, fa tena mila fahaizana, finiavana sy fitiavana, mila fahaiza-mitarika ny olona hamokatra, hifamelona, hifanampy,… Tena mila fitiavan-tanindrazana sy fahintsiana fa tsy fiheveran-tena ho tsy maty manota ka hanao takalon’aina ny firenena sy hampisotro ny rano tsy tiana lava ny Malagasy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT