Tsy misy fahagagana io !

Na hianatsimo na hiavaratra


  • Talata 18 Aogositra 2026

na hiatsinana na hiakandrefana isika

amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena dia isika foana no erany, miankina amintsika sy ny fahavononantsika hitondra fanavaozana ho an’ny Firenena no erany. Tsy misy fahagagana io na hobataina aty Madagasikara avokoa aza ireo lasitra ara-toekarena sy fomba fiasa nampandroso Firenena maro, ka tsy ny maro an’isa no vonona hiova, vonona hiray hina, hiala amin’ny fitiavan-kely, hiala amin’ny kolikoly, hanatsahatra ny famadihan-tanindrazana amin’ny endriny rehetra, ho sarotiny amin’ny harem-pirenena,… dia ny eo ihany no ho eo. Ekena ny hoe : mila manova rafitra, mila manao fitsinjaram-pahefana sy vola, mila politika ara-toekarena, mila mpitondra mahay,… fa ny voalohany indrindra mila tia tanindrazana, mila tia ny malagasy, mila miray hina,… Zava-dehibe ny dingana ara-diplaomatika, ny fiezahantsika hiverina amin’ireo rafitra iraisam-pirenena samihafa, fandresentsika lahatra ny mpiara-miombon’antoka hiaraka hiasa amintsika,… Midika inona sy mitondra inona anefa ireny raha mbola isika samy isika no hifamingana ? Andohalihantsika ny vahiny fa isika mbola hifanipaka toy ny valala an-karona sanatria ? Henjehintsika ho manao fanjanahantany maoderina ny vazaha kanefa maro amintsika no manaiky ataony fitaovana, ampiasiny ny mpiasam-panjakana na ny olona ambony mba hahazoany tombotsoa maro (tany, taratasy, fandraharahana, politika,…), ny tovovavintsika betsaka no tsy maharay lamba vao hoe hanambady vazaha na tsy mifanentana aza satria isika difotra ao anaty fahantrana ka betsaka no te hitsoam-pahana,… Tsapatsika ve hoe : isika aloha no mila miova mitia ny tanintsika sy ny mpiray tanindrazana amintsika ? Tsapantsika ve fa mila sarotiny amin’ny firenena sy ny harentsika isika mba tsy halaza tsy hihinanana toy ny vilian-sahona ? Mahatsiaro ho tompon’andraikitra ve ny tsirairay sa mbola ny omaly tsy miova raha vao miresaka raharaham-pirenena, fifidianana,… ka milaza hoe tsy mampitombo ny any anaty vilaninay izany ? Mila miaraka mifoha, mbola tsy tara !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT