Tsy misy fahagagana !

Haverina hatrany, fa tsy misy mpitondra na mpanao politika dia tena hoe :


  • Zoma 06 Septambra 2024

hamotika sy handrava firenena no tanjony na dia ekena aza fa betsaka ny haratsiam-panahy.

Samy milaza hanasoa sy hampandroso, ary samy mampanantena fandrosoana ho an’ny Firenena indrindra fa amin’ny fotoanan’ny propagandy. Ampangain’ny karatra foana anefa rehefa tonga eo amin’ny seza sy ny fahefana hoe : tena vina sy programa maty paika hanarenana sy hampandrosoana firenena tokoa ve no natolotra sy nakana fom-bahoaka sa kabary manidintsidina nentina nakana fom-bahoaka sy vaton’ny mpifidy fotsiny ? Tsy misy fahagagana ny fitantanana firenena, fa tena mila fahavononana, mila fahaiza-manao, mila olona tena mahavita azy, mila vola, mila mpiara-miombon’antoka, mila faharesen-dahatra sy fanohanan’ny vahoaka,… Tsy vitan’ny fitanisana velirano sy programa na fampanantenana mandavan-taona na firesahana zavatra manaitaitra vahoaka isaky ny miodina kanefa ny fanatanterahana tsy mazava sy poakaty. Ho tahaka izao ve ohatra isika raha tanteraka ny angovo 400MW tao anatin’ny 5 taona, tanimbary 1ha isaky ny tanora, hampindram-bola an’i Kaomoro,… eny fa nisy hatramin’ny filazana fa hanavotra an’izao tontolo izao. Betsaka ny kabary ambony latabatra, mitosaka ny fampanantenana, ary izao aza mandeha ny fampalazana tena hitetezana kaontinanta fa tsy hita izay vokatra. Tsy misy fahagagana io fa tena mila fahaiza-manao !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT