Edito

Tsy misy fahagagana !


  • Talata 08 Oktobra 2019

Raha ny resaka sy ny fampanantenana, dia tena haingam-pandeha ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajoelina.

 

 

Raha ny fifehezana ny firenena kosa, dia mbola azo hiadian-kevitra tsara mba tsy hilazana fa tsy dia misy hatokona. Sasatry ny mamono afo noho tsy fahafehezana firenana. Bakalorea mikorontana arahina vahaolana toa petatoko. Saika ny fanjakana iray manontolo no nisavorovoro tamin’ilay vaovao nivoaka mombana tsy fahafahan’ny vehivavy makany ivelany,… Ny eo tsy vita fa ny fampanantenana hafa misosoka ihany, tahaka ilay ozinina famokarana fanafody hiainga avy ao anatin’ny fananganana “fondation”. Tsara ny tetikasa sy ny fampanantenana, fa miverina hatrany ilay fanontaniana hoe: aiza ny hoenti-manana e? Hatao mitolagaga, hono, izao tontolo izao, ary izy dia tena manana hafainganam-pandeha mafy dia mafy. Raha tena nisy tokoa izany dia ho tahaka izao ve ny firenentsika taorian’ny fakana fahefana amboletra 10 taona lasa izay ? Tsy misy fahagagana izany, ka hoe efa niova aho, dia hiova tampoka tahaka izany ihany koa ny fomba fanao nahafantaran’ny rehetra. Mba efa fantatra sy niainan’ny maro izany fanjakana tetezamita izany, ary niharihary ny zavatra nafitsoky ny mpitondra. Latsaka lalina, ary lavaka be no nototofana sy narenina tao anatin’izao fandraisana ny fitantanana ny firenena izao, hoy ny filoham-pirenena. Fa iza no nandatsaka lalina ny firenena ? I Hery Rajaonarimampianina nanao ireo asa notokanana sy lazaina fa velirano ve sa ny tetezaniitatra nanjakan’ny gaboraraka, kolikoly, fangoronan-karena sy ny bizina tsy hita pesimpesenina, fanondranana harem-pirenena,… Ny tànana efa zatra mitsotra tsy afaka ny hivokona intsony, hoy ilay ohabolantsika izay. Mety hisy tokoa ny zavatra atao sy ambara fa fampandrosoana, saingy tena ireo laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka Malagasy ve sa ho tampi-maso fotsiny?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT