Edito

Tsy misy aroriaka intsony


  • Talata 07 Martsa 2023

Sarotra ny adihevitra rehefa tonga amin’ilay hoe: tsy mihaino sy tsy te hahalala ny hafa eny fa na ny ekipany aza ny mpitondra farantampony,

fa ny azy sy izay ao an-dohany ihany no marina sy tsy maintsy toavina ary tanterahana. Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no hihainoana sy hiraharahiany ny vahoaka Malagasy, raha toa ka ny olona eo akaikiny aza tsy raharahiany? Firifiry ny fitarainana sy anjomara momba tsy fanjariana ara-pitantanana, saingy ny toa setriny dia ilay hoe: “mpanjika tozoro afara”. Na ireo olon’ny fitondrana milaza ny zavatra tsy mety aza toa hanaraman’ny sasany mpikarama an’ady hanaratsy, raha tarafina tamin’ny nanjo depioten’Ikongo raha nilaza ny zava-misy tany amin’ny distrika nahalany azy, nitondra tsikera amin’ny tokony ho laharam-pahamehana,… Mazava ho azy fa tsy misy aroriaka sy arofanina firy intsony fitondrana izao fa tena manao izay maha diavolana ny sainy. Tsy misy sori-dàlana mazava tena hitondrana ny firenena fa toa miainga amin’ny kisendrasendra sy ny aingam-panahy sendra miserana. Nandeha coronavirus, dia nolazaina fa isika no hanavotra an’izao tontolo izao, eny fa nampiasaina hatramin’ny mpaminany sandoka. Tampoka teo dia sahy miteny sy mirehareha fa ahazoana tombony kokoa noho ny mamboly vary ny fambolena artemesia. Mandeha fidangan’ny vidin-tsolika dia tonga tampoka ny hoe: hanafatra “bus” manara-penitra. Tsy finiavana hanakiana fa be loatra ilay eritreritra toa manidintsidina, hany ka tsy tena misy zava-banona, fa lany andro mampanonofy. Aty amin’ny fiafaran’ny taom-piasana mbola tahaka ireny vaninandro propagandy ireny ny fihetsiketsehana, mba hitsapana vintana sao mbola hahazo 5 taona manaraka!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT