Edito

Tsy misy apoaka akory kay !


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Aty amin'ny volana oktobra 2012 vao miteny ny tompon'andraikitra ao amin'ny foloalindahy fa nisy ireo miaramila tonga dia nanapa-kevitra samirery hiambina manampahefana, ary tsy niera tany amin'ny lehibeny akory.

 Izao vao atsangana ny komity manokana hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fanajana ny fitsipi-pifehezana sy fitsipi-pitondran-tena eo anivon'ny foloalindahy. Izao koa vao ambara fa ampodiana an-dakazerina avokoa aloha ireo vata miaramila nanao asa tsy dia misy antony mazava firy tety ivelany. Dia tena mahagaga sy mahatalanjona ny zavatra tahaka izany satria ny fiheverana azy hatramin'izay dia tsy misy miaramila mihetsika izany, raha tsy nahazo baiko mazava. Ary raha resaka fanajana ny fitsipi-pifehezana izany dia tokony ho lohalaharana ny miaramila satria tahaka ny efa toetra raiki-tapisaka aminy ny fanajana ny tenin'ny lehibe sy fitsipika mifehy ny asany.

Tao anatin'izay telo taona izay, izany dia marobe ny miaramila sy zandary ary koa polisy miaraka amin'ny fitaovam-piadiana niambina olona ambony, manampahefana na mpandraharaha akaikin'ny FAT kanefa tsy nahazo baiko mazava hanatanteraka izany akory. Tarazon'ny zava-nisy tamin'ny 2009 moa no fahitana azy ity, satria nanomboka teo ny fandikan-dalàna sy gaboraraka amin'ny endriny rehetra no tena nahazo vahana teto amin'ny firenena. Nivaha tanteraka ny fanajana ny fitsipika tao amin'ny foloalindahy ka na vata miaramila tsotra aza dia sahy mamaly sy manompa manamboninahitra jeneraly, ary na misy aza ny baiko avy amin'ny lehibe dia tsy mety manatanteraka izany ny miaramila sasany. Fa inona ary no nataon'ireo lohandohan'ny mpisorona tao amin'ny foloalindahy no tsy nandray fepetra haingana mba hanitsy ny tsy mety fa ho efa-taona aty aoriana vao mody mihetsiketsika tsy hita hoe hanao inona eo ? Inona izany no tena nataon'ny foloalindahy nandritra izay tetezamita izay ? Variana nanenjika ny mpanohitra, indrindra fa ny zanak'i Dada ve ? Sa sonenika sy nigalabona nandany ny vola be tambin'ny fanonganam-panjakana ?

Raha izany no izy dia mitombina tanteraka ihany, ny fandemena sy fanapotehana ny foloalindahy malagasy araka ny voasoratra tao amin'ilay taratasy tsiambaratelon'ny Quay d'Orsay na ny ministeran'ny raharaham-bahiny Frantsay. Ny fantatra dia miha baranahiny isan'andro ankehitriny ny zandarimariam-pirenena sy ny tafika ary ahitana tsy fetezan-javatra maro. Nopotehan'ny vola sy fitiavam-bonihitr'ireo be galona vitsivitsy ny foloalindahy ary hita fa tena sarotra ny hanavotra azy. Teto Madagasikara irery, eto ambonin'ny tany no nisy miaramila tsy nety nandray fahefana izany, na dia efa ilay filoham-pirenena aza no nanolotra azy ireo izany. Misy antony ireny fa tsy hoe tongatonga ho azy. Mety efa nisy ny drafitra nifanarahana mialoha, dia mody natao ny sinema.

Tompon'andraikitra feno amin'izao fahasahiranan'ny firenena izao ireo manamboninahitra nahita tombotsoa tamin'ny fanonganam-panjakana, ary mbola manohana an-dRajoelina hatramin'izao. Ny alina aza anefa, mivadika ho maraina hoy ny fiteny, ary misy fetrany ny zava-drehetra. Efa manomboka mipoitra tsikelikely ny marina ankehitriny ary dia ny tao an-trano ihany no namoaka azy tety ivelany. Nataona andian'olona fitaovana ny ampahana vahoaka tamin'ireny 2008 - 2009 ireny mba handrodanana ny fitondrana, nampanantenaina izao zava-drehetra mampanonofy izao, toa vao maika anefa sahirana ny isan-tokantrano. Ny ampahany tao amin'ny foloalindahy manokana dia nanantena fa hahafinaritra ny fiainana rehefa tsy eo intsony ingahy Ravalomanana ; toa faly sahirana ihany anefa izy ireo satria korontana fa tsy filaminana no nentin'ny fanovana teto, ary ny vahoaka dia manomboka tsy matoky intsony ny be baoty, izay toa be fihetsiketsehana ety ivelany fotsiny fa rehefa alefa miady...tsy misy apoaka ! 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT